Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Kandidà !

19/01/2013

Nifampiarahaba tratry ny taona tetsy amin’ny Palais des sports Mahamasina ny fianakaviamben’ny CUA. Ny sekretera jeneralin’ny kaominina no nisolo tena ireo mpiasa manodidia ny 4000, nisaotra sy nirary taom-baovao feno fahombiazana ho an’ny PDS Edgar Razafindravahy mivady. Nisongadina nandritra ny kabariny ny nanomen’ny CUA « prime » ireo mpiasa rehetra tamin’ny faran’ny taona, mbola nampiana vary sy menaka ary vola 20.000 Ar isan’olona indray izany omaly. Noraisina ho ECD avokoa ireo mpiasa an-tselika, lasa ELD kosa ireo ECD rehetra ary hanomboka handoa ny latsakemboka ny kaominina ho an’ireo izay misotro ronono, araka ny nambaran’ny PDS. Nanao antso avo ho an’ny mpiasan’ny CUA iray manontolo ny tenany mba hanao ny tsaratsara kokoa hatrany amin’ny fikarakarana sy ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo ; niantefa tany amin’ny olom-pirenena tsirairay avy koa anefa izany fanentanana izany, hatongavana amin’ny tanjona dia ny hoe tanàna madio, mirindra sy milamina. Nampanantena ny hatsara araka izany azo atao ny fari-piainan’ny mpiasan’ny kaominina moa ny PDS Edgar Razafindravahy.

Manimanitra
Ben’ny tanànan’Antananarivo roa izay no lasa filoha nitondra ny firenena taorian’ny taona 2001. Ny voalohany tamin’izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay voafidim-bahoaka ; nanaraka azy kosa ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. Toa efa manimanitra ho amin’izany koa anefa ny zava-nisy tetsy amin’ny Palais des sports Mahamasina, nandritra ity fifampiarahabana tratry ny taona teo amin’ny CUA ity. Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy ho kandidà ny PDS Edgar Razafindravahy. Ny ho ben’ny tanànan’Antananarivo no akaiky indrindra amin’ny vinavinan’ny mpanara-baovao kanefa mety ho ny fifidianana filoham-pirenena mihitsy, taorian’ny tsy fahafahan’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana handray anjara amin’izany hazakazaka masina izany. Koa raha vitan’ny PDS tokoa moa ny nampiditra ny mpiasa an-tselika rehetra ho lasa ECD, ny ECD rehetra ho lasa ELD, mety mba ho vitany koa ve izany ny hikarakara ireo mpampianatra FRAM, ny famahana ny olan’ny SEMPAMA sy ny PARAMED ?

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...