Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mitaky ny hanasaziana an-dRajoelina

21/01/2013

Vonona ny hanaiky ny fanomezana amnistia an-dRajoelina izahay hoy ny nambaran’i Naika Eliane, olom-boatendry avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Mitaky ny hanambarana mazava ny heloka vitany sy ny sazy manandrify an’izany, indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena anefa izahay, hoy ihany ity mpanao politika ity mialoha ny hanomezana amnistia azy. Nokianin’ity mpanao politika ity ihany koa ny filazana fa i Andry Rajoelina no hanome ny amnistia ho an-dRavalomanana.“Voasazy i Rajoelina sy ny forongony satria nanongam-panjakana.

Ny andininy faha 25. 4 ao amin’ny sata Afrikana dia milaza fa tsy mahazo milatsaka ny tenany satria voasazy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Vonona hanaja manontolo ny tondrozotra izahay ary vonona handany ny lalàna momba ny aministia hivoahana amin’ny krizy. Saingy raha miadaladala i Rajoelina sy ny namany dia mangataka ny fianankaviambe iraisam-pirenena izahay mba hamoaka ny sazy ho an’izy ireo tsirairay avy: sambory, gadrao fa avy amin’ireo mihitsy no mampahantra ny vahoaka”. Izay no isan’ny nambaran’ny CST Naika Eliane nandritra ny lahateny nataony teo anatrehan’ireo vahoaka tonga teny amin’ny Magro behoririka ny asabotsy teo. Fanambarana izay midika ho azy ireo dia nilaina fa tsy ampy ny tsy filatsahan’ny filohan’ny tetezamita amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Fanambarana ihany koa izay midika fa tsy miombon-kevitra amin’ny SADC ny hanomezana amnistia an-dRajoelina mialoha ny fanasaziana azy izy ireo.
Nambaran’i Naika Eliane tamin’ny lahateny ihany koa fa mangataka sazy ho an’izy ireo (Rajoelina sy ny ekipany) tsirairay izya ireo ary vonona ny hanome azy ireo amnistia raha izany izy ireo. Maro, hoy izy, ny zavatra nataon’ireo olona ireo teto: bois de rose, volamena, operation tany Atsimo, 26 janoary, 07 febroary. Tsy manaiky isika vahoaka raha tsy tsaraina amin’izany izy ireo ka ho fantatsika ny hadisoana nataon’izy ireo tsirairay avy. Tsy maintsy giazana ny fananan’ireo any ivelany. Raha tsy manao izany isika hoy ihany i Naika Eliane dia misy mbola hanao izany ihany ireo olona ireo”.
Marihina fa isan’ny nokianin’ny olom-boatendry Naika Eliane ihany koa ny filazana fa i Rajoelina no hamoaka amnistia ho an-dRavalomanana. Ny mifanohitra amin’izany no tokony ho izy araka ny fahitan’ity mpanao politika ity.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran��ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...