Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Pôlisy mandrahona amin’ny basy !

24/01/2013

Misy pôlisy iray mpamily eo anivon’ny pôlisim-pirenena, miray monina amin’olona eny Ampefiloha Anosizato eny. Renim-pianakaviana efa maty vady io ny tompon-tanana ary fony fahavelon’ny vadiny dia nentin’izy mivady ireo ho toa ny zanany ity pôlisy ity. Tany am-boalohany dia nanofa trano efitra ilany tamin’izy ilay mpitandro filaminana nomena nipetrahany ihany koa ny efitra iray taty aoriana. Manan-janaka telo mirahalahy izy mivady ary mifanila eo avokoa ny tranon’izy ireo satria lehibe ilay tanàna. Taty aoriana, nividy tany tamin’ilay renim-pianakaviana ilay pôlisy ary efa an-dalam-pahavitana ny tranoa. Ny olana anefa, tapitra nanaovany trano daholo ny tany novidiany izay mirefy 7mx5m; izany hoe tsy nasiany tokontany na kely aza. Tsy maintsy mampiasa ny tokontanin’ny iray amin’izy telo mirahalahy ilay pôlisy isaka ny hivoaka ny trano. Nikasa ny hanatsara ny tananany anefa izy ireo, ny alatsinainy 14 janoary 2013 kanefa dia nosakanan’ilay pôlisy. Efa nikasa hamefy tamboho ny tanànany ihany koa ny zanaky ny mpandova saingy talohan’io daty; teny amin’ny “brigade criminelle” anefa no nihafarany ary tsy tafavoaka teny raha tsy nandoa vola mitentina 1 tapitrisa ariary tamin’ilay pôlisy. Efa nisy ihany koa ny fiantsoana azy ireo teny amin’ny PMM (police des mœurs et des mineurs) kanefa resaka tany no mampifanolana.

Hiverenana ny zava-nitranga ny faha 14 janoary 2013. Tsy nataon’ireo mpandova araka izany ny tamboho satria tsy nanaiky ilay pôlisy. Ny marainan’ny talata 15 janoary 2013 anefa, voalaza fa nampanantsoin’ity pôlisy ity ho eo akaikin’ny tranony ireo telo mirahalahy ka nasainy naka akanjo mafana sy bodofotsy fa handeha higadra. Voalazan’ireo vavolombelona nanatri-maso fa toa hoe miharo teny ratsy ny fandrahonana nataon’ilay mpitandro filaminana azy telo mirahalahy ary teo imason’ilay renim-pianakaviana tompon-tanàna izany. Niteny taminy anefa ny iray tamin’ireto mpandova mba tsy hitenenany ratsy eo imason-dreniny. Namoahan’ilay pôlisy basy anefa ity farany, araka ny fijoroana vavolombelona hatrany. Niantso ny sefo fokontany teo anatrehan’izao raharaha izao ny tompon-tanàna ary dia nentina tany amin’ny biraom-pokontany. Tsy nandeha kosa ilay mpitandro filaminana fa niantso pôlisy. Misy mitady hanafika mantsy hono izy, araka ny loharanom-baovao azo. Tsy ela tokoa dia tonga tao amin’ny fokontay ny pôlisy mandeha 4x4. Nambaran’ny sefom-pokontany tamin’ireto andiana pôlisy miady amin’ny asan-jiolahy fa tsy nisy fanafihana velively ka dia nitodi-doha niverina izy ireo.
Andro vitsivitsy taty aoriana, tonga ny fiantsoana avy amin’ny « brigade criminelle » ho azy telo mirahalahy. Nitory azy ireo ilay pôlisy, nikasa hamono ity farany mantsy hono izy ireo. Natao ny famotorana azy ireo ny zoma 18 janoary 2013 ; notohizana tamin’ny fisavana ny trano fonenana satria hoe misy sabatra. Tsy nahita na inona na inonaa enefa ireo mpitandro filaminana nanao ny fisavana ; izy telolahy moa amin’izany fotoana izany notànana « violon » tao amin’ny BC. Ny sabotsy 19 janoary 2013 anefa, tonga nangataka raharaham-pihavanana ilay pôlisy saingy nandà izy telolahy. Izay tokoa angamba vao fantatr’ity mpitandro filaminana ity fa nitory azy noho ny fandrahonana tamin’ny basy koa ireto mpandova ireto. Fandrahonana hatrany anefa no setrin’izany fandavana raharaham-pihavanana izany. Tsy fantatra izay nitranga fa toa hoe nisy nisy olona ambony tao amin’ny pôlisy namoaka azy telolahy nody ny sabotsy 19 janoary na dia efa nandà aza izy miarahalahy avy ndrao dia hisy hilaza indray fa nitsoaka.
Niakatra fampanoavana omaly 23 janoary 2013 ny raharaha. Nomen’ny Fampanoavana fahafahana avokoa izy telo mirahalahy ka amin’ny faha-30 janoary 2013 izao, efitrano I no fotoam-pitsarana. Tonga nanamarina izao fitrangan-javatra izao teny amin’ny Fampanoavana mihitsy moa ny sefom-pokontany ary nilaza fa tsy nisy fandrahonana na fikasana hamono ity pôlisy ity velively. Eo am-piandrasana ny fitoriana izay napetraky ny mpandova ao amin’ny « brigade criminelle » noho ny fandrahonana tamin’ny basy kosa ny mpanara-baovao.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...