Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Manjaka ny tsy fanarahan-dàlana

25/01/2013

Nandritra ny fampahafantarana ny fikirakirana ny volam-panjakana ho an’ity taona 2013 ity tany Toamasina no nahafantarana fa maro ny tsy fanarahan-dàlana hita tany amin’ity Faritra ity mikasika izay fampiasam-bolam-panjakana izay. Nomena toro-marika entitra arak’izany ireo mpikirakira ny volam-panjakana any an-toerana, ary nampahafantarina izy ireo fa ho hentitra ny fanaraha-maso amin’ity taona ity. Nomena fihofanana ireo mpikirakira ny volam-panjakana avy amin’ireo sampandraharaham-panjakana isan’tsokajiny any amin’ny Faritra Antsinanana.

Ny mahakasika ny fampiasana sy ny fomba fikirakirana ny volam-panjakana amin’ity taona 2013 ity no votoatin’izany fanofanana izany izay notarihan’ireo tomponandrikitra avy ao anivon’ny sampan’ny ministeran’ny Teti-bola sy ny Vola ary ny tahirimbolam-panjakana any Toamasina. Tao anatin’izany fihofanana izany no nahafantarana fa mandeha 25% isaky ny telo volana ny fampiasana ny teti-bola, ary arakaraka ny fandaharan’asan’ny sampandraharaham-panjakana isan’isany avy no nanamboarana izany teti-bola izany. Araka ny fanazavana nataon’ny nataon’ny tomponandrikitra avy ao amin’ny Trésor ao Toamasina ihany, dia mbola betsaka ny tsy fanarahan-dàlana amin’ny fampiasana ny teti-bolam-panjakana rah any zava-misy any amin’iny Faritra iny no resahana. Ny tena hita mibaribary dia ny fampiasana ny taratasim-bola ara-tsolika (CCAL) sy ny fampiasana ny “compte de depot” ary ny fakana ny “retenus” mivantana eny anivon’ireo “regisseurs”.
Araka ny fanazavana nataon’ireo tomponandrikitra teo anivon’ny Faritra Antsinanana dia noho ny tsy fananann’ny Faritra kaonty mazava no nahavoatery azy ireo hampiasa ny “compte de depot”. Satria tsy nanana mpanolon-tsaim-paritra intsony izy ireo taorian’ny krizy politika ny taona. Teo ihany koa ny tsy fiverenan’ireo olom-boafidin’ny Faritra indrindra ireo efa lasa CT sy CST izay misolo ireo solombavambahoaka sy ny senatera. Marihuana fa nangataka fanamarinana ny fandaniany ireo vola nampiasainy sy nampidirina nanomboka ny taona 2009 - 2012 teo anivon’ny Faritra Atsinanana ny Tresor Toamasina amin’izao fotoana izao. Nomarihan’ny tresor ihany koa, fa tsy azo ampiasaina intsony ireo CCAL tsy lany tamin’ny taon-dasa. Ireo efa nampiasaina ka tsy nahavitan’ny tobin-tsolika tatitra ihany koa ny fampiasana azy dia tsy maintsy averina eo anivon’ny Tresor nakana azy avokoa. Ny fakana ny “retenus” mivantana izay hita mazana amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny kaomina dia hanomboka ny fanaraha-maso ary henjehina ho toy ny fanodikodinam-bolam-panjakana ireo tratra ao anatin’izany. Ankoatr’izay, dia nilaza ny fitantanana ny teti-bolam-panjakana sy ny tresor, fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna amin’ny fampiasana ny volam-panjakana, ary tsy azo ekena intsony ny gaboraraka, ho saziana sy henjehina ireo tsy manara-dalàna.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...