Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Vaky ny fonja

28/01/2013

Loza ity fa amin’izao andro efa mampitebiteby izao, noho ny afitsokin’ny malaso sy ny daholo, dia manampy trotraka indray ny sehon-javatra samihafa mampitaitaina ny mponina any amin’ny faritra any. Ny tanan-dehibe sy ny lalana mapitohy ny faritra dia efa isehoan’ireny asan-jiolahy sy herisetra ireny matetika mihitsy tato ho ato. Re ary izao fa namaky fonja ary tafaporitsaka ireo gadra 13 lahy isan’ny dahalo malaza tao amin’ny faritra misy azy any Ambovombe Androy. Mponina any an-toerana azo antoka no nampandre anay fa nisy izany tranga hafahafa izany tao amin’ny Asabotsy alina tokony ho tamin’ny 9 ora mahery eo ho eo. Nandoaka rindrina no nahafan’ireo gadra ireo nitsoaka ny fonja. Ary naharatrana mpiambina fonja iray izao vaky fonja izao.

Niezaka ihany ireo mpiambina fonja ambiny nanao izay hisakana ireto dahalo efa raindahiny ireto ary nanapoaka basy sy nitifitra mihitsy ireto gradra nitsoaka ireto. Ny alina tsy mba fotsy hoy ny fiteny ka sarotra ihany no hahavoazana ireo gadra nandositra ireto ka dia afaka nifefa tsara izy 13 lahy. Marihina fa io fonja ao AmbovombeAndroy io dia tsy lavitra fa mifanila amin’ny Tobin’ny Zandary nefa noho ny tampoka dia tsy afa nanoatra ireo mpitandro filaminana. Ny hany hery dia nanao ny fikarohana sy ny fanarahana dia. Mbola mitohy izany fikarohana izany ary dia tsy mikely soroka ny rehetra manao izay hisamborana ireo olon-dratsy izay tsy azo avelavela higalabona any anaty vahoaka any fa mety hampidi-doza.
Amin’ny zavatra toy izao dia tena ahiana mafy ny hanaovan’ireny dahalo tafaporitsaka ireny valifaty amin’ireo olona nitoroka sy nanampy tamin’ny nisamborana. Tsy mana-k’ho raisina koa moa izy ireo ka na dia ny hohanina aza dia manahirana azy ireo ka dia avy dia ny fandrobana no ao an-dohan’izy ireny voalohany raha vao mahazo rivotra madio ety ivelan’ny fonja. Ahina mafy mihitsy izany ny hisy tranga ratsy aorianan’izao. Ka tokony ho mailo ny rehetran indrindra ireo mpitandro filaminana izay mitazona fitaova-piadiana.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...