Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nodoran'ny dahalo ny tanàna 67 tafo

29/01/2013

Mirongatra izay tsy izy indray amin’izao fotoana izao ny fanafihana ataon’ny andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tsy latsaky ny 250 izy ireo no indray nanafika ny tananan’Ankily any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo ny faran’ny herinandro teo. Lasan’izy ireo tamin’izany ny omby miisa 1200 miaraka amin’ny entana samihafa sendra azy ireo. Nodoran’izy ireo ny tanana rehefa avy notafihany ka niisa 67 ny trano kilan’ny afo. Tsy araka ny nantenaina ny vokatr’ilay fampandrian-tany sy famongorana ny asan-dahalo nandefasana andian-tafika sy fitaovam-piadiana mahery vaika tany atsimo, tamin’ny alalan’ilay hetsika manokana fantatra amin’ny hoe “operation tandroka”.

Fara-faharatsiny dia ny fihenan’ny asan-dahalo tany amin’iny faritra iny no nandrasana avy amin’izany hetsika izany. Ny mifanohitra amin’izany anefa amin’izao fotoana izao no zava-mitranga satria vao maika mirongatra ny asan-dahalo any amin’iny faritra iny. Tranga iray mampihoron-koditra no nambaran’ny loharanom-baovao fa niseho tamin’ny faran’ny herinanfro teo tany amin’ny tanana iray atao hoe Ankily, any amin’ny kaomina ambanivohitr’i Mahaly, distrikan’Amboasary Atsimo. Dahalo tsy latsaky ny 250 lahy no voalaza fa nanafika izany tanana izany tamin’io andro io. Nirongo basy Kalachnicov sy MAS 36 ny ankamaroan’izy ireo, araka ny loharanom-baovao. Omby miisa 1200 no voalaza fa lasan’izy ireo nandritra izany fanafihana izany. Tsy nionona tamin’ny fangalarana omby toy ny mahazatra anefa izy ireo fa nadroba fananan’ny mponina ihany koa. Tapitra lasan’izy ireo avokoa, araka ny loharanom-baovao, ireo entana sendra azy ireo, indrindra ireo lafo vidy sy ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. Taorian’ny fanafihana nataon’ireto dahalo ireto dia voalaza ihany koa fa nodoran’izy ireo ity tanana ity. Vokany: may kilan’ny afo ny trano miisa 67.
Eo ho eo amin’ny 110 km avaratry ny tananan’Amboasary Atsimo no misy ity tanana notafihan’ny dahalo ity. Ny loharanom-baovao no nilaza fa ireo zandary izay namita iraka tany amin’ny manodidina an’i Tsivory no nantsoina hamonjy ireo mponina izay niharan’izao fanafihana izao. Hatramin’ny ora nandraisana ny vaovao dia mbolatsy tonga any an-toerana ireo mpitandro filaminana ireo. Tsara ny manamarika fa nandositra tanteraka an’izany tanana izany ireo mponina, araka ny loharanom-baovao noho ny tahotra ny hiverenan’ireo jiolahy.
Tsara ny mampatsiahy fa tsy ity tranga tany Ankily ity akory no voalohany tamin’ny fanafihana mitam-padiana nataona andian-dahalo taorian’ny hetsika “tandroka” tany amin’iny faritra atsimo iny. Araka ny loharanom-baovao ihany dia efa saika isan’andro indray amin’izao fotoana izao no misy izany fanafihana izany. Marihina fa tsy mbola nisy aloha hatreto ny filazana ôfisialy momba ny fahavitana na tsia an’ilay hetsika “tandroka”. Tsiahivina anefa fa ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina mihintsy no tonga tany Betroka tamin’ny fanombohan’izany hetsika izany. Hatreto ihany koa dia tsy misy resaka mihintsy ny mikasika an’ilay dahalo rain-dahany izay nanirahana an’ireo mpitandro filaminana notarihan’ny Kolonely Lylson tany amin’izany faritra izany. Tsy misy afa-tsy ilay vehivevy manakilema fantatra amin’ny hoe “Tokanono”, izay naira-naka sary tamin’izy ireo no vokatra nentin’ny operation tandroka avy any atsimo, izay nandanian’ny fitondrana tetezamita vola tsy toko tsy forohana.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...