Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tonga omaly i Leonardo Simao

30/01/2013

Mivahiny eto Madagasikara hatry ny omaly ilay Minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha tany Mozambika, Leonardo Simao, izay mpanelanelan’ny SADC amin’ny krizy eto Madagasikara. Ny hanohy ny fihainoana an’ireo ankolafy samihafa eto Madagasikara no anton-diany eto an-toerana, araka ny nambarany teny am-pahatongavana. Ankoatr’izay dia tafiditra amin’ny fanampiana an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny fifidianana ihany koa ny fahatongavany eto an-toerana. Nigadona teto Madagasikara, omaly, ilay iraky ny SADC, Leonardo Simao. Efa diso fantatry ny Malagasy, indrindra ireo mpanao politika eto an-toerana, rahateo ity Minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha tany Mozambika ity satria tsy voalohany izao fahatongavany eto amintsika izao.

Nandritra ny resaka fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato omaly tolak’andro dia nitondra fanazavana mikasika ny anton-diany eto Madagasikara ny tenany. Nambarany ary fa ny fanohizana ny fihainoana ireo ankolafin-kery samihafa eto an-toerana no antony nanirahan’ny SADC azy. Nambarany ihany koa fa ny tanjona dia ny fanampiana an’i Madagasikara amin’ny firosoana amin’ny fifidianana. Isan’ny nametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana tamin’i Leonardo Simao ny mikasika ny fiverenana an-tanindrazana ho an’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Araka ny fanazavan’ity iraky ny SADC ity dia mbola hisy ny fihaonana amin’ireo ankolafy samihafa voakasik’izany ka hangalana ny hevitr’izy ireo. Ho entina any amin’ny tomponan’andraikitra ambony kosa avy eo izany hevitra izany ka ireto farany handray fanampahan-kevitra farany momba izany. Ankoatr’izay dia isan’ny nametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana ihany koa ny momba ny fanomezana famontsoran-keloka an-dRajoelina, araka ny fanambaran’ny SADC. Tsy naome valim-panontaniana manandrify izany kosa ny iraky ny SADC.
Tsiahivina fa efa tamin’ny faramparan’ny volana desambra tamin’ny taon-dasa no efa fantatra ha handefa an’i Leonardo Simao hamita iraka eto Madagasikara ny SADC. Tsy tanteraka anefa izany iraka izany taorian’ny fanambaran’ny filoha teo aloha ny amin’ny tsy filatsahany ho fidina filoham-pirenena. Tsara ihany koa ny manamarika fa isan’ny fanampahan-kevitra noraisin’ny Vondrona Afrikana tamin’ilay fivoriana farany teo ny amin’ny fanatanterahana fivoriana eo amin’ireo firenena mikambana amin’ny GIC-M (Groupe international de contact pour Madagascar) sy ny CPS ahafahana mandinika ny fepetra ho raisina mikasika ny fivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy.
Marihina fa tsy mbola fantatra, hatreto, ny fandaharam-potoanan’ity iraky ny SADC ity amin’izao fahatongavany eto Madagasikara izao.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...