Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

7000 tsy misy miraharaha

27/02/2013

Tafakatra 7000 amin’izao fotoana izao ny isan’ny tra-boina vokatry ny fiakaran’ny rano teo Antananarivo sy ny manodidina. Noho ny fiakaran’ny rano tany amin’ny trano fonenan’izy ireo no antony maha tra-boina ny ankamaroan’izy ireo. Velon-taraina izy ireo amin’izao fotoana izao satria tsy misy mpijery. Tsy misy azon’izy ireo atao anefa afa-tsy ny miandry ny rano ho ritra hiverenana any amin’ny trano fonenany.

Tonga amin’ilay fiteny hoe: “ambany maso tsy hita” ny voina manjo ireo tra-boina an-drivony eto Antananarivo renivohitra. Tra-boina vokatr’ireny ranon’orana nisesisesy teto an-toerana ireny. Araka ny fantatra dia mahatratra 7000 izy ireo amin’izao fotoana izao. Eny amin’ireo tranolay izay nomanina handraisana ireo tra-boina no mipetraka ny an-kamaroan’izy ireo. Toerana izay tsy zarizary satria, araka ny filazan’izy ireo dia mahatratra telopolo mahery izy ireo no mivangongo amin’ny tranolay iray rehefa amin’ny alina. Isan’ny olana lehibe atrehin’izy ireo amin’ny andavan’andro ihany koa, ankoatry ny hamaroan’ny olona any amin’ireny trano lay ireny, ny lafiny fahadiovana sy ny fitandemam-pahasalamana. Hatreto anefa dia tsy mbola misy fijerena akaiky ny momba azy ireo, indrindra ny avy amin’ny fitondrana tetezamita. Ireto farany izay nanao hazakazaka arahin-tosika tany amin’ny ilany atsimo avokoa amin’izao fotoana izao, taorian’ny fahavoazana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Haruna.
Marihina fa avy amin’ireo toerana sy faritra dibo-drano nohon’ny habetsahan’ny rotsak’orana ny ankamaroan’ireo traboina ireo. Izany hoe simba na dibo-drano avokoa ny trano fonenan’izy ireo. Tsy misy fijerena anefa izany hatramin’izao. Tsy misy azon’izy ireo atao afa-tsy ny miandry ny faharitan’ny rano fotsiny afahany miverina amin’ny trano fonenany. Iaraha-mahalala anefa fa atahorana ny hianjera ireny trano ireny noho izy nilon-drano nandritra ny andro maromaro. Miantso ny fitondrana sy ny malala tanana mba hijery azy ireo akaiky arak’izany ireo tra-boina eto Antananarivo.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...