Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

« Tsy voafetra », hoy Rakotonarivo Thierry

27/02/2013

Nitondra fanampim-panazavana mikasika ny fahafaham-milatsaka ho fidina amin’ireo fifidianana samihafa hatao eto Madagasikara ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Atitany, Rakotonarivo Thierry. Nambarany fa afaka milatsaka amin’ny fifidianana avokoa ny rehetra rehefa mahafeno ny fepatra amin’izany. Nomarihany manokana ny mikasika ireo antoko politika.

Tsy marina hoy izy ny fiheverana fa tsy mahazo milatsaka ireo mpikambana amin’ny antoko politika iray raha tsy tafatsangana ara-dàlana ara-panjakana ny antoko misy azy. Araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Atitany dia afaka milatsaka soamatsara izany olona izany saingy tsy amin’ny alalan’ilay antoko izay tsy mitsangana ara-dàlana ara-panjakana no hilatsahany. Satria ny làlana manankery eto amintsika dia manamafy fa tsy natokana ho an’ny antoko politika irery ihany ny filatsahana amin’ireo fifidianana hatao eto Madagasikara. Nomarihany ihany koa fa afaka milatsaka amin’ny anaran’ny tenany na amin’ny anarana fikambanana izay te-hanao izany.
Nanazava mikasika ny resaka kongresin’ny antoko politika ihany koa ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Atitany. Nambarany fa tsy takiana amin’ny fananganana antoko, araka ny aelin’ny sasany akory ny fanaovan’izany antoko izany ny kongresiny. Rehefa tafatsangana kosa ilay antoko politika dia tokony hanao kongresy, farafaharatsiny indray mandeha isaky ny dimy taona.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...