Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

“Tsy fitserana fa adidy sy zo”, hoy Me Hanitra

27/02/2013

Naneho ny heviny manoloana ny fanambarana nataon’ny filohan’ny HAT mikasika ny fiverenana an-tanindrazan’ny vadin’ny filoha teo aloha ny filoha lefitry ny Filankevitra avon’ny tetezamita, Hanitra Razafimanatsoa. Nokianin’ity olom-boatendry ity ny fametrahana fepetra momba izay fiverenan’i Lalao Ravalomanana an-tanindrazana izay. Nambarany fa adidin’ny fitondrana tetezamita ny mampody azy an-tanindrazana araka ny efa nifanarahana tamin’ny andininy faha 20 ao amin’ny tondrozotra. Etsy an-danin’izany zon’i Lalao Ravalomanana ihany koa ny miverina an-tanindrazana amin’ny maha teratany Malagasy azy. Na izany na tsy izany dia miandry ny fanatanterahan’ny fitondrana HAT an’iny fanambarana iny ny ankolafy Ravalomanana, hoy ny nambaran’ny minisitra.

“Miandry ny fanajana ny teny nomena sy ny fanajana ny maha-olona izahay”, hoy ny fanamarihan’ny filoha lefitry ny Filankevitra avon’ny Tetezamita, ny Maître Hanitra Razafimanantso, raha naneho ny heviny manoloana ny fampitam-baovao nataon’ny fiadidiana ny tetezamita ny tenany. Nomarihany hiany koa fa tsy mbola nilaza daty na fotoana hiverenan’ny vadin’ny filoha teo aloha eto an-tanindrazana ny ankolafy Ravalomanana, ary tsy mbola niantso vahoaka na nikarakara hetsika ho fitsenana an’i Lalao Ravalomanana. Etsy an-danin’izany anefa dia notsindrian’ity mpisolovava ny filoha teo aloha ity fa ny fanambarana nataon’ny filohan’ny tetezamita momba ity raharaha ity no nahatonga izany hanana endrika politika. Satria iny fampitam-baovao tamin’ny fomba ofisialy nataon’ny fiadidiana ny tetezamita izay nitatitra ny valin-tenin’ny filohan’ny HAT iny dia midika fa tena ho avy tokoa ny vadin’ny filoha teo aloha.
Ankoatr’ireo dia nambaran’i Maître Hanitra Razafimanantsoa ihany koa fa mitaky ny famoahan’ny fitondram-panjakana ny fampiharana ireny fanambarana nataon’ny filohan’ny tetezamita ireny izy ireo, indrindra ny ankolafy Ravalomanana. Isan’izany, araka ny fanamarihana nataony, ny momba ny fandraisana an’i Lalao Ravalomanana sy ny fiarovana ny ainy rehefa tonga an-tanindrazana izy, satria hatreto dia mbola mizaka ny maha vadina filoham-panjakana voafidim-bahoaka i Lalao Ravalomanana.
Fampiharana ny andininy faha 20
Momba ny fanambarana nataon’ny filohan’ny HAT tany Toliary dia nilaza ihany koa ny olom-boatendry Hanitra Razafimanantsoa fa tsy nitaky fitserana na famindram-po ny ankolafy Ravalomanana raha nandefa ny fangatahana tamin’ny ambaratonga samihafa teto amin’ny firenena. Ny mifanohitra amin’izany no nangatahinay hoy ny fanamarihany. Tsy inona izany fa ny fampiharana ny fifanarahana itsanganan’izao tetezamita izao dia ny tondrozotra izany, izay milaza ao amin’ny andininy faha 20 fa averina an-tanin-drazana ireo rehetra izany lasa sesi-tany. Etsy an-danin’izany dia mananjo hiverina an-tanindrazana ihany koa ny vadin’ny filoha teo aloha amin’ny maha-teratany Malagasy azy. Noho ireo antony ireo dia tsy misy na kely aza antony tokony hiresahan’ny filohan’ny tetezamita ny hoe “atao fitaovana politika” sy ny fitantarany ireo halahelony samihafa tamin’iny fanambarana ofisialy iny. Ho an’i Maître Hanitra Razafimanantsoa dia ny fampiharana ny voalazan’ny andininy faha 20 ao amin’ny tondrozotra no tokony resahina satria ny tondrozotra no maha eo amin’ny fitondrana an-dRajoelina fa tsy zavatra hafa.
Tsara ny manamarika fa isan’ny voaresaka tao amin’ny fivorian’ny mpomba an-dRavalomanana teny amin’ny kianjan’i Magro, omaly ny fihomankomanana amin’ny fahatongavan’ny vadin’ny filoha teo aloha. Nambaran’ny mpandray fitenenana tamin’izany fa efa ela no nanomanana ny fahatongavan’i Lalao Ravalomanana toy ny nanomanana ny fahatongavan’ny filoha teo aloha ihany koa.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...