Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Am-polony isan’andro ny voaroba

27/02/2013

Ny resaka nifanaovana tamin’ny lehiben’ny tsena ao Bazarikely Toamasina, Rakotomandimby Befizaha Fidel, no nahafantarana fa tsy latsaky ny folo isan’andro ny olona, indrindra ireo mpiantsena no voaroba ao amin’izany tsena izany. Etsy an-danin’izany, nambaran’ity tompon’nadrikitra ity ihany koa fa resaka fitadiavana vola be aman’olona avokoa no nahatonga ny famonoana sy ny fandrobana nitranga tamin’izany tsena izany.

Hatreto anefa dia diso tetika avokoa ireo jiolahy mpanafika tao Bazary kely ireo satria tsy mbola nahazo ny tadiaviny tamin’ireo olona novonoiny, araka ny fanazavany.
Ho an’I Rakotomandimby Befizaha Fidel dia “tena efa an-tenda ny tsy filaminana miseho ao Bazary kely, ny mpanendaka miha-maro sy miha-kely ny taonany mpanao azy; ny jiolahy hafa mpitondra basy koa manao ny ataony; hany ka mitaintain-dava toa soabakaka amoron-driaka izahay mpivarotra satria efa mihatra aman-aina izany ankehitriny”. Nomarihany ihany koa fa “nanomboka ny volana jona ny taona lasa hatramin’izao, dia efa nahatratra 03 ireo olona notifirin’ny jiolahy mitam-basy tao Bazary kely, ka ny roa mpivarotra ny jona 2012 sy ny 17 novambra 2012, ary ny 22 febroary farany teo dia mpiantsena indray no maty voatifitry ny jiolahy.

Efa nandray fepetra hamongorana izany tranga izany ny ao amin ‘ny tsenan’ny Bazary kely amin’izao fotoana izao. Eo ny fametrahana fanamafisam-peo mafy entina hanambara mialoha ireo jiolahy mihaodihaody ao an-tsena. Marihina fa fantatry ny mpivarotra ny ankamaroan’ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery ireo, saingy noho ny tahotry ny valifaty ataon’izy ireo noho izy ireo mandeha amin’ny andiany sy ao anatina fikambanan-jiolahy, dia tsy milaza ny mpivarotra amin’ny fiarovana ny ainy sy ny fianakaviany, hoy ihany Rakotomandimby. Ankoatra izay, dia miantso fiaraha-miasa amin’ny polisim-pirenena izay eo amin’ny 300 m akaikin’ny Bazary kely ny fikambanan’ny mpivarotra ireto. Miangavy ny hisian’ny polisy manao fihodinana sy fisafoana matetika ao anatin’ny tsena; sy miara-miasa matotra amin’ny “vigiles” karamain’ny mpivarotra mba tsy hitranga ao Bazary kely intsony ny mpivarotra sy mpiantsena voatifitra sy voahendaka ary voaharom-paosy.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...