Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nanao atrikasa momba ny fitantanana

27/02/2013

Notontosaina tao amin’ny renivohitry DIANA ny 19 ka hatramin’ny 22 febroary 2013 lasa teo ny atrik’asa andiany faha-4 momba ny fitantanana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena (4ème colloque des officiers administratifs) mialoha ny fanantanterahana ny tetibola 2013. Tanjon’ny atrik’asa ny fanatsarana ny fitsinjarana ny tetibola ato anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Manamboninahitra miisa 57 manerana ny nosy no niatrika izany. Ireto avy ny asa nodinihina sy nandraisana fanapahan-kevitra: Momba ny RPM(Répartition pré-établie modulable): fitsinjarana ny tetibola hampiasan’ireo tobin’ny Zandarimaria rehetra hahafahany mamokatra fandriampahalemana araka ny tokony ho izy; fanavaozana ny fitantanan-draharaha sy ny ara-bola eo anivon’ny zandarimariam-pirenena (restructuration de l’administration de la gendarmerie); fananganana ny CEFAMI (Centre de Formation d’Administration Militaire): Ivon-toerana fampiofanana momba ny fitantanan-draharaha sy ny ara-bola ara-miaramila; famindran-toerana ireo manambonihitra miandrikitra ny fitantanana.

Fantatra nandritra ny atrik’asa ihany koa fa ny 70%-n’ny tetibolan’ny zandarimariam-pirenena dia ny any amin’ny faritany no hitantana azy ary ny 30% kosa no tantanin’ny Foibe. Ny komandin’ny zandarimariam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena izay tonga manokana namarana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa tany Antsiranana dia samy nanamafy ny toromarika: ny ady kolikoly; ny fahasahiana mandray andraikitra ary ny fanehoana hatrany ny fahaizamanao arak’asa. Any Toliara indray no hanantanterahana ny atrik’asa manaraka amin’ny taona 2014.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...