Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mpianatra iray maty tany Chine

28/02/2013

Nanamafy hatrany ny fitakiana ny handohavan’ny fitondram-panjakana ny vatsim-pianarana ho azy ireo ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana any Chine. Nankinin’izy ireo tamina mpisolovava izany fangatahana izany. Ity farany izay nanambara fa nisy mpianatra Malagasy iray namoy ny ainy tany Chine tamin’ny herinandro lasa teo. Misy ifandraisany amin’ny tsy fandraisana vatsim-pianarana nandritra ny volana maro ny nahafatesan’ity mpianatra ity, araka ny fitantaran’ilay mpisolovava.

Tokony ho jerena haingana ny mikasika ireo mpianatra Malagasy mahatratra 300 mandranto fianarana any Chine, raha araka ny fanazavan’i Maître Ramisajaona nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataony omaly. Nandritra ny 14 volana izy ireo no tsy nandray vatsim-pianarana intsony, hoy ihany ity mpisolovava ity. Arak’izany dia miaina ao anatin’ny fasahiranana tanteraka ireo mpianatra ireo amin’izao fotoana izao. Tsy misy afa-tsy ireo Malagasy vitsy izay monina sy miasa any amin’ity firenena ity no hany mba mamonjy azy ireo manoloana izany fasahiranana goavana izany. Nambarany ihany koa tetsy an-danin’izany fa tsy afa-mody an-tanindrazana ireo mpianatra ireo noho ny tsy fananany na dia ny saran-dàlana hahatongavana aty aza. Nanao antso avo miantefa any amin’ireo mpitondra arak’izany ity mpisolovava momba ny fanajana ny zon’olombelona izay nangatahan’ireo mpianatra Malagasy any Chine hisolovava azy ireo ity. Araka ny fanazavan’ity mpisolovava ity ihany dia nisy mpianatra Malagasy iray, isan’ireo mandranto fianarana any Chine no nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny herinandro lasa teo. Misy ifandraisana amin’ny fasahiranana izay nanjo azy noho ny tsy nandraisana vatsim-pianarana ny antony nahafaty azy, araka ny fanazavana ihany.
Marihina fa tsy vao omaly akory no nangataka ny handohavana ny vatsim-pianarany ireo mpianatra any Chine ireo, tahaka ireo mpianatra Malagasy any amin’ny firenen-kafa ihany koa. Iarahan’ny mpanara-baovao tsy an-kanavaka ny valin-tenin’ny mpitondra fanjakana, indrindra ny filohan’ny tetezamita manoloana izany. Ity farany izay nanilika ny andraikitra tany amin’ireo tompon’andraikitra teny anivon’ny ministera izany nambarany fa nanararaom-pahefana tamin’ny fandefasana ireo mpianatra ireo tany ivelany. Teo ihany koa ny filazany fa hosivanina ireo mpianatra azo homena vatsim-pianarana ary hampodiana an-tanindrazana ireo izay tsy mahafeno izany fepetran’ny sivana izany. Tsy azo antenaina arak’izany ny hisian’ny fandraisana andrikitra hataon’izao fitondrana izao manoloana izao fasahiranan’ireo mpianatra Malagasy any Chine izao.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...