Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nahitana fanafodiny ankehitriny

02/03/2013

Ny fampitam-baovao avy amin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny tantely no nahafantarana fa mahomby farafahakeliny 80% amin’ny ady atao amin’ny haretina “varroa” izay nandripaka ny ankamaroan’ny tantely tamin’ny faritra maro teto Madagasikara ny karazam-panafody atao hoe “EpiPro”. Fantatra ihany koa araka ny fikarohana natao teny an’ivon’ny anjerimanontolo teto Antananarivo fa efa misy karazam-panafody hafa miisa 8 izay eo an-dalam-panandramana amin’izao fotoana izao, heverina fa ho enti-miady amin’ny aretin’ny tantely na ny “varroa”

Azo atao, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo manampahaizana momba ny tantely, ny mamongotra ny haretina mpahazo ny tantely na ny “varroa”. Taorian’ny fanandramana dia fantatra fa mahomby hatrany amin’ny 80% amin’ny ady atao amin’ity karazan’aretina mpahazo ny tantely maro teto Madagasikara ity ny karazam-panafody atao hoe “EpiPro”. Arakaraka ny habetsahana sy ny hamafin’ny haretina ny fahombiazany, araka ny fanazavan’ireto manam-pahaizana ireto. Nambaran’izy ireo fa tany Manjakandriana no nanaovana ny fanandramana. Tsy misy fiantraikany amin’ny ranon-tantely ny EpiPro. Efa misy ihany koa ny fanafody miisa 08 izay efa eo am-panandramana amin’izao fotoana izao araka ny nambaran’ireo mpikaroka ao amin’ny oniversiten’Antananarivo sy fikambanan’ny mpiompy tantely Malagasy.

Tsiahivina fa nanomboka ny faran’ny taona 2009 no hita tamin’ny faritra vitsivitsy teto amintsika ny fisian’ny aretina “varroa”, izay namono ny tantelin’ireo tantsaha. Ny Faritra Analamanga, Atsimo atsinanana, Atsinanana, ary Analanjorofo no tena voakasik’ity aretina ity araka ny fanadiadian’ny fikambanan’ny mpiompy tantely sy ireo manam-pahaizana mpikaroka avy amin’ny oniversiten’Antananarivo. Maty sy nandositra avokoa ny 85% ny tantelin’ny mpiompy ka nampihena ny vokatra tantely hatrany amin’ny 80%.

Ankilan’izay, dia fantatra izao fa nahazo tolo-bidy amin’ny vokatra tantely tany Eropa ny mpiompy tantely tao anivon’ny faritra Atsinanana sy Analanjorofo. Tantely milanja 50taonina isan-kerinandro no tadiavin’ireo mpividy any amin’izany firenena izany. Tsy nisy sahy niditra tamin’izany anefa izy ireo noho ny vokatra tsy mahatratra afa-tsy 20 taonina isan-bolana monja. Nanampy trotraka izany ny aretina tantely tsy fantatra nahazo ireo tantely tao Toamasina I sy II nanomboka ny taona 2007. Ankoatr’izany, tsy ny “varroa” ihany ny aretina mampadositra na mahafaty ny tantely, fa eo indrindra koa ny doro tanety, ny setroka maharitra loatra, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ary ny rivo-doza mahery vaika. Raha ny zava-nisy tao Toamasina anefa, dia tsy nisalasala ireto manam-pahaizana ireto nilaza fa misy ifandraisany tamin’ny fanafody famonoana moka nampiasan’Ambatovy ny fahavoazan’ny tantely tany amin’izany faritra izany, satria taorian’ny nanajanonana izany ny taona 2011 dia nanomboka niverina ny tantely tamin’ny volana martsa 2012 ary tsy narary intsony izy ireo. Tsara ihany koa ny manamarika fa efa ny taona 2004 no tsy neken’ny OMS hampiasaina intsony ny fanafody DDT, sy ny “Deltametrine” nampiasan’Ambatovy.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...