Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy nahazo olona ny tany Toamasina

05/03/2013

Toy ny nataon’ny mpanakanto teto Antananarivo, dia nanatanteraka hetsika voin-kava-mahatratra ho fanampiana ireo tra-boina any Toliara ihany koa ny sendikan’ny mpanakanto tao Toamasina. Teo anoloan’ny ivo-toerana rejionaly momba ny tanora sy fanatanjahan-tena (CRJS) no nanatanterahana ny hetsika ny sabotsy sy alahady tontolon’ny andro teo. Tsikaritra anefa fa tsy nahasarika olona loatra ity voin-kava-mahatratra tao Toamasina ity.

Raha vao niandoha fotsiny izany ny sabotsy dia tsy nisy olona afa-tsy olona miisa 12 monja no nanolotra ny fanampiana ara-bola hatramin’ny mitatao vovonana. Am-polony ihany koa ireo nanome zavatra samy hafa ka lamba sy voamaina no nentin’ireo olona nanolotra ireo foiny. Ny fikambanana Fimami tamin’ny alalan’ny filohany sy mpikambana vitsivitsy teo aminy no nanokatra izany ny sabotsy maraina tamin’ny 10ora. Tamin’ny 11ora kosa vao tonga ny PDS Toalina Zafindrabary izay nanolotra fanomezana tamin’ny anarany sy ny fianakaviany.
Marihina fa maro ny resaka nandeha manodidina ity raharaha vohi-kava-mahatratra ity. “Taiza ireo sindikan’ny mpanan-kanto ireo no tsy nanao toy izao tamin’ny fahapotehan’ny Brickaville sy ny faritra Mavam herin-taona lasa izay. Tsy nisy tsy nahita angamba ny fahasimbana nahazo ireo distrikan’ny faritra atsinanana, nefa ny zanaky ny faritra ihany no nanomana izany izay tsy nisy nanohina akory ny rehetra ho voin-kava-mahatratra ihany koa tamin’izany”, hoy ny filazan’ny sasany. “Noho ireo zanaky Toliara manodidina ny filohan’ny tetezamita ve no anton’izao fikoropahana sy filana laza izao? na ny filohan’ny tetezamita aza tamin’ny fahavoazan’ny Mavam sy Brickaville efa andro maromaro taorian’ny rivo-doza vao tonga namangy fa tsy toy ny nataony tamin’ny Toliara izay 24ora monja taorian’ny fahalasanan’ny rivo-doza”.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...