Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitaky mangarahara amin’ny CENIT

05/03/2013

Mitodika tanteraka any amin’ny kaomisiona mahaleotenan’ny fifidianana na ny CENIT amin’izao fotoana izao ny fijerin’ny mpanara-baovao hatramin’ny nandrenesana tamin’ny alalan’ny solontenan’ny mpamatsy vola fa efa vonona ny ankamaroan’ny vola avy amin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena hanampiany ny fikarakarana ny fifidianana hatao eto Madagasikara. Araka ny fahitan’i Rasolo André kosa dia tokony hanova fomba fiasa amin’izany ny CENIT ka tokony hasiany tsindrim-peo manokana ny fampiharana ny mangarahara amin’ny raharaham-panomanana ny fifidianana.

Tsy tokony hitaraina mikasika ny ho enti-manana amin’ny fanatanterahany ny asany ibtsony ny CENIT amin’izao fotoana izao hoy Rasolo Andre. Mazava hoy izy ny fanambaran’ny mpamatsy vola ny fifidianana izay nilaza tamin’ny faramparan’ny herinandro teo fa efa vonona avokoa ny ampahany betsaka amin’ny vola ho entin’izy ireo hanampiana ny fampandehanana ny fifidianana eto Madagasikara. Eo anatrehan’izany dia nilaza ihany koa ity mpisehatra eny an’ivon’ny fiarahamonim-pirenena ity fa tokony hanao ezaka bebe kokoa amin’ny fampangaraharana ny fifidianana amin’izay, indrindra amin’izao dingan’ny fanomanana izao amin’izay ny vaomiera mahaleotenan’ny fifidianana. Marihana fa hatreto dia kianin’i Rasolo André ny fomba fiasan’ny CENIT eo amin’ny fampahafangtarana ny dingana ataony amin’ny fandrosoana ny fifidianana izay. Hatreto, hoy izy, dia mitsitapitapy ny fanomezan’ny CENIT vaovao momba ny dingana vitany.
Ankoatr’izay dia naneho ny heviny momba ny fijoroan’ny FFM ihany koa i Rasolo André. Nambarany fa tsy azo antoka ny hahavitan’ity rafitra ity ny asa fampihavanam-pirenena nankinina taminy noho ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fandrafetana azy. Isan’izany ny vesatr’izany rafitra izany izay hampanano sarotra ny fomba fiasany. Eo ihany koa ny fisian’ireo mpikambana sasantsasany izay manome endrika ratsy izany rafitra izany noho izy ireo efa fantatra ny nataony teto amin’ny firenena.
Marihina fa amin’ny alakamisy izao no hanao fihanianana eny amin’ny lapan’ny fitsarana ambony etsy Anosy ireo mpikambana 44 vao notendrena ao amin’ity rafitry ny FFM ity.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...