Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nitondrana miaramila ireo mpivarotra eo amin'ny Malacam

06/03/2013

Miaramila mirongo fitaovam-piadiana niaraka tamina vadi-tany no tonga nanala ireo mpivarotra teo amin’ny manodidina ny Malacam, tamin’ny toerana nivarotan’izy ireo, omaly maraina. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany no tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ireo ary nanome ora roa ireo mpivarotra mba handrodanan’izy ireo ny toeram-pivarotan’izy ireo isan’isany avy. Tsy nanan-tsafidy intsony ireo mpivarotra, arak’izany, na dia efa nilokaloka ny tsy hiala amin’ny toerany na inon-kidona na inon-kiantra, aza izy ireo.

Na izany na tsy izany, nisy tamin’izy ireo ihany ny nanorina fivarotana teny amoron’arabe tsy lavitra ny toerana nanesorana azy ireo. Tetsy an-danin’izany dia nilaza ny hitondra ity raharaha ity eny amin’ny fitsarana ihany koa ireo mpivarotra. Nambaran’izy ireo fa tsy ara-drariny ny fanesoran’ny orinasa Madarail azy ireo teo amin’izany toerana izany. Nokianin’izy ireo mafy ihany koa ny fahatongavan’ny vaditany Rakotonombana teny an-toerana. Ity farany izay nanome baiko ny hialan’izy ireo ao anatin’ny ora roa kanefa tsy nampiseho ny taratasim-pitsarana manandrify izany akory.
Tsara ny mampatsiahy fa tetik’asa hanatsarana ny kianjan’i Malacam no voalaza fa antony nanesorana ireto mpivarotra ireto tamin’ny toerany. Ireto farany izay efa am-polotaona no nivarotany teo amin’izany toerana izany. Miantso ny Filohan’ny tetezamita hijery izao fahoriam-bahoaka izao ihany koa ireto mpivarotra nesorina teo anoloan’ny kianjan’i Malacam ireto . Nambaran’izy ireo fa tsy izao no nifanarahana tamin’ny tolona ho fanovana izay natao teto amin’ny firenena. Notsiahivin’izy ireo ihany koa fa efa nisy ny fanampahan-kevitra noraisin’ny filohan’ny tetezamita mikasika ny tsy tokony hisian’ny fandroahana mpivarotra sy fandravana tranon’olona. Tsy izany anefa ny zava-misy amin’izao fotoana izao, araka ny antson’ireto mpivarotra nesorina tamin’ny toerany ireto.
Miisa 200 eo ho eo ireo mpivarotra nesorina teo amin’ny Malacam. Mbola tsy manana toerana hivantanana ka afahany manao ny asa fameloman-tenan’izy ireo amin’ny maha mpivarotra azy izy ireo amin’izao fotoana izao. Tonga teny an-toerana nanohana azy ireo ny parlemantera Ramasy Adolphe sy ny avy ao amin’ny fikambanana Hafari Malagasy.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...