Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hanao hetsika “Taniketsa” ny DRJS

06/03/2013

Hatao ao anatin’ny faritra Antsinanana sy ny Faritra Analanjirofo ny 2 ka hatramin’ny 5 aprily ho avy izao ny hetsika tafiditra amin’ilay hetsika fantatra amin’ny anarana hoe “taniketsan’ny fanatanjahan-tena malagasy”. Hatsika izay karakarain’ny ministeran’ny Fanatanjahan-tena sy ny alavoly. Ny talem-paritry ny tanora sy ny alavoly ary ny fanatanjahan-tena ao Toamasina no tompon’antoka amin’ity hetsika ity any an-toerana. Niantso mpanao gazety nanazava ny fepetra mikasika izany hetsika izany ary izy ireo omaly. Nandritra ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity no nilazana fa ny “fitiliana ifotony ireo tanora tena hanome lanja ny fanatanjahan-tena Malagasy atsy ho atsy no tanjona amin’izao ezaky ny minisitera izao.

Tsy ny fahaizana loatra no jerena mandritra izany, fa ny habe sy ny halavana ary ny fahatanorana araka ny fepetra napetraka fotsiny ihany”, araka ny fanazavan’i Rabarivelo Laurent talen’ny DRJS Toamasina.. Tao anatin’ny faritra 12 voafidy ny faritra Atsinanana sy ny faritra Analanjorofo. Ny 02 – 05 aprily izao ny fifantenana ho an’i Toamasina, izay samy hialoavan’ny fisivanana izany isaky ny kaominina sy ny distrika 13 (07 faritra atsinanana, 06 faritra analanjorofo) araka ny toro-marika azon’izy ireo avy. Ho an’i Toamasina I dia anio manontolo no andro hanaovana izany eo anivon’ny foiben’ny rejionaly tanora sy fanatanjahan-tena (CRJS). Taranja telo no handraisan’ireo mpifaninana anjara, dia ny Basket-Ball sy ny Athletisme ho an’ny tanora lahy sy tanora vavy, ny Foot-Ball kosa ho an’ny tanora lahy ihany. Mila manana halavana 1,65m ho an’ny tovovavy sy 1,70m ho an’ny tovolahy ary latsaka ny 16 taona ho an’ny Basket-Ball sy latsaky ny 14 taona ho an’ny Foot-Ball. Ho an’ireo misafidy ny Athletisme kosa dia “triathlon” no hitiliana azy ireo, izay ahitana ny hazakazaka 50m na 1.000m, eo amin’ny vikin-dava na ny viki-miakatra, ary poids na javelot.
Marihina fa efa eo am-pananganana ny komity misahana ny fanomanana sy ny fanaraha-maso ary fanamarihana ireo tanora mpandray anjara ny DRJS amin’izao fotoana izao. Tanora lahy sy vavy 300 no andrasana ao Toamasina ny fiandohan’ny volana aprily, ka 60 amin’ireo tanora ireo izay mahafeno ny fepetra napetraka no ho tsongaina ka hiatrika ny fanofanana azy ireo mandritra ny fialan-tsasatra lehibe. Efa vonona avokoa ny kianja sy ny fandraisana ireo tanora ireo ao Toamasina, satria ny kaominina sy ny distrika ary ny faritra nivoahan’ilay tanora ihany no miantoka ny saran-dalany ho tonga ao Toamasina hiatrika ny fifanintsanana.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...