Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

« Mirongatra ny fitsaràm-bahoaka »

08/03/2013

Niaiky ny ministry ny Atitany Florent Rakotoarisoa fa mirongatra tokoa amin’izao fotoana izao ny fanaovana valifaty sy ny fitsaram-bahoaka. Ohatra maromaro izay nitranga tato anatin’ny herinandro vitsivitsy no nanamafisany izany fanambarana izany. Isan’izany ny zava-nitranga tany Antsihihy izay nahafatesan’ny fokonolona ny olona iray izay voaroiroy ho mpangalatra.

Torak’izany koa ny nitranga tany Morarano Chrome any amin’ny Distrikan’Amparafaravola izany namoizan’ny polisy iray ny ainy. Saika hisambotra olona tany amin’izany tanana izany ity polisy ity sy ny namany iray ka notondroin’ny fokonolona ho mpaka an-keriny. Ary ny farany dia izay nitranga tany Mandritsara taorian’ny namonoan’olona ny relijiozy iray tany an-toerana. Raha tsiahivina dia nahafatesana mpianatra iray ihany koa ny hetsika nataon’ireo izay nitaky ny hamoahana ary hampiharana ny fitsaram-bahoaka amin’ireo telolahy izay voaroiroy tamin’ny nahafaty ilay relijiozy.
Nambaran’ny minisitra fa tsy misy fanjakana afaka manaiky ny fitsaram-bahoaka n’aiza n’aiza misy azy. Araka ny fanazavany ihany dia adidin’ny fitsarana ny mandray andraikitra amin’ny olon-dratsy izay tratra ka tsy mamaly intsony.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...