Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nanokatra fanadihadiana ny zandary Malagasy

09/03/2013

Ny fanambarana nataon’ny Zandarmariam-pirenena no nahafantarana fa nanokatra fanadihadiana manokana izy ireo amin’izao fotoana izao ho fikarohana ny marina mikasika ireo bongam-bolamena milanja 246 kg heverina avy aty Madagasikara ary tratra tatsy amin’ny Nosy Mayotte. Raha tsiahivina dia nokasaina halefa any Dibai ireo volamena ireo ary taratasy hosoka no teny am-pela-tanan’ireo nitondra azy. Fanontaniana apetraky ny maro arak’izany ny amin’ny fomba namoahana ireo volamena ireo tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tetsy Ivato, izay tsy isalasalana fa nisy firaisana tsikombakomba sy kolikoly goavana dia goavana.

Ny 22 janoary 2013 dia tonga tany Anjouan, any amin’ny Nosy Comore ny teratany vahiny iray efa malaza amin’ny fanondranana an-tsokosokoa harem-pirenena, mpivarotra eto Antananarivo ; haka “sacs” roa misy volamena 6kg isany. Nisy nangalatra anefa ireo valizy ireo raha saika hiainga tamin’ny sambo ho any Mayotte izy nefa tsy nanao fanambarana mahakasika izany . Hitan’ny “ douanier” anefa ny iray tamin’ireo kitapo feno volamena very tamin’ny fisavana talohan’ny fiaingana ka natao “saisie”. Raha vao nahazo ny tatitra ny fitsarana tao an-toerana dia nampanao fanadihadiana ny “ section de recherches” tao Pamandzi.

Ny 26 janvier dia tonga tao amin’ny Section de recherche ilay teratany vahiny tompony nampiseho taratasy nikasa haka ilay volamena nefa hita fa hosoka avokoa ny taratasy nasehony ka dia tsy nomena azy fa izy kosa afaka nandeha.

Ny 26 janoary io ihany dia teratany frantsay hafa iray monina eto Madagasikara ihany no nampiseho taratasy raha vao niala ny fiaramanidina tao Dzaoudzi fa mitondra bolongam-bolamena milanja 66 kg izy ho an’ny DUBAI. Ireo taratasy nentiny anefa dia mitovy tsy misy valaka amin’ny nasehon’ity iray teo aloha. Notazonina izy ary natao famotorana ka nilaza fa an’ity voalohany ihany ireo entana ireo ary efa in’efatra niverina tany Emirats Arabes Unis sy teto Madagasikara izy nitondra bolongam-bolamena toy izao, mitontaly 246 kg ary mitentina 12 000 000$. Ankoatr’izany dia mbola misy “ mandat d’arrêt internationnal” ihany koa amin’ny anarany avy amin’ny Tribunal de Grande Instace (TGI) ny ST Denis La Réunion nohon’ny resaka “ banqueroute”.

Noho ireo rehetra ireo dia natao “saisie” ny bolongam-bolamena 06 kg tratra voalohany sy ny 66 kg faharoa ( 72kg) ary nampidirina am-ponja vonjimaika any an-toerana ity lehilahy faharoa ny 28 febroary 2013. Hosoka sy fampiasana hosoka ary fanadiovam-bola no iampangana azy.

Eo anatrehan’ireo rehetra ireo dia tsy mipetram-potsiny ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena malagasy fa nanokatra fanadihadiana ihany koa mahakasika ny nivoahan’ireo harem-pirenena ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina sao misy resaka kolikoly na firaisana tsikombakomba tamin’ny mpitandro filaminana na ny hafa satria efa nomena ny baiko mikasika ny ady amin’ny kolikoly, ny fandraisana andraikitra, ary ny fiarovana ny harem-pirenena. Koa dia andrasana ny vokatrin’izany fanadihadiana izany.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...