Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Raikitra ny “operation jiolahy”

09/03/2013

Hanatanteraka hetsika manokana hamongorana ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asan-jiolahy ao antampon-tananan’i Toamasina manomboka izao ireo mpitandro filaminana any an-toerana. “Tsy azo ekena izany tsy filaminana izany. Tsy azo ekena koa ny jiolahy no hametraka ny lalanany eto”, hoy ny tompon’andrikitry ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg izay nampahafantatra ny andinindininy momba ity hetsika hatao ao antampon-tananan’i Toamasina ity. Tsiahivina fa araka ny nambaran’ny talen’ny filaminam-bahoaka tany Toamasina, herinandro vitsivitsy lasa izay dia efa loko mena avokoa ny tsy filaminana ao amin’ity tanana ity noho ireo asan-jiolahy nifanesy izay tonga hatramin’ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika sy ny fakana an-keriny ihany koa.

“Operation jiolahy” no anaran’ity hetsika hatao any Toamasina ity izay haharitra hatramin’ny fetin’ny Paska, raha araka ny fanazavan’ireo mpitandro filaminana. Ireo faritra telo tena nalaza amin’ny tsy filaminana any an-toerana no nanaovana ny fanaraha-maso hentitra. Tsy izay izany fa ny faritra atsimo misy ny Dépot sy ny manodidina azy; eo ihany koa ny faritra andrefana misy an’i Morarano, Ambalakisoa, Tanambao Verreri.e. Ny fahatelo kosa dia ny faritra avaratra izay misy an’i Mangarano, Ambolomadinika, Mangarivotra, Ankirihiry, Andranomadio. Ho voaksiky ny hetsika ihany koa anefa ny faritra afovoany izay ahitana ireo tsena goavana, indrindra ny ao Bazary kely izay nanaovana ny fanaraha-maso manokana ary nahatrarana ambodiomby ireo mpanendaka rojo volamena ny alakamisy teo. Isaky ny faran’ny herinandro kosa dia hisy ny “operation” manokana eny an-dalam-be sy lalam-pasika, ka hisy ny fisavana amin’ny an-tsipirihany sy hentitra ireo olona, fiara, moto, posy, taxi, “tuk-tuk” tratra sy miasa alina, izay hiarahan’ny Emmo-Reg manatontosa.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...