Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nitory ny “GEPAT”

11/03/2013

Araka ny fanambarana izay nataon’i Razafindrafahatra Zoé filoha vaovaon’ny GEPAT (des Entreprises de la Province Autonome de Toamasina), noho ny tsy fanajan-dalana nataon’ny ‘comité ad’hoc’ sy ny tsy fihainona ny fangatahana nataon’izy ireo ny amin’ny fanemorana ny fifidianana hisian’ny fifidianana madio sy tena mangaraharaha teo anivon’ny minisitera, dia nisintaka tsy handray anjara amin’ny fifidianan’ny ‘CCI’ Toamasina izy ireo.

Marihina fa ny 16 marsa izao no ho tanterahina izany fifidianana ao amin’ny CCI toamasina izany. Marihina ihany koa fa i Razafindrafahatra Zoé no filoha vaovaon’ny GEPAT izay vao napetraka ny zoma 08 martsa teo nisolo ny filoha teo aloha, Ratrimo Mickael. Nohamafisin’ity filoha vaovao ny GEPAT ity ihany fa “tao anatin’ny fotoam-piasana roa farany teo dia olana hatrany no niainan’ny ‘CCI’ Toamasina. Mbola hitranga anefa izany raha tsy hajaina ny ‘carte fiscale unique’ fanatsarana nentin’ny fanjakana, ny ‘nomenclature des métiers’ hanavahana ny mpivarotra sy ny mpanao asa tanana izay mazana olana foana, ary ny ‘statut’ vaovao ny ‘CCI’ manerana ny nosy”.
Isan’ny hiteraka olana goavana ihany koa, araka ny fahitan’izy ireo, ny fitongilanan’ny filohan’ny « comité ad’hoc » sy ny ekipan’ny minisiteran’ny Varotra izay efa miharihary be loatra. Vokatr’izay amboletra ataon’ny “comité ad’hoc”, izay dia “nametraka fitoriana ho fanafohanana ny fifidianana eo anivon’ny ‘tribunal administratif’ ny GEPAT ary miandry ny valin’izany fitoriana izany amin’zao fotoana izao. « Miankina amin’izay no hamaritanay ny hetsika manaraka, hoy ny filohan’ny GEPAT, fa hatreto aloha dia nampiantona ny fandraisan’anjaranay eo anivon’ny ‘CCI’ Toamasina izahay ».
Ny mahagaga anay koa ny fananan’ny GEL kandida eo anivon’ny indostria sy ny ‘services’, nefa ny ‘commerces’ no tokony misy azy”, hoy hatrany Atoa Razafindrafahatra Zoé. Ankilan’izay, dia manohy ao anatin’ny fisalasalana ny fanomanana ny fifidianana ireo “comite ad’hoc”, satria raha ny lalana eo anivon’ny “tribunal administratif” dia tokony miato aloha ny fanomanana ny fifidianana rehetra sy fampielezan-kevitra ataon’ireo vondrona manana kandida mandram-pisian’ny didy mivoaka.
Ankoatr’izay, dia niaiky ny GEPAT fa tena henjana ho azy ireo ny krizy nanomboka ny taona 2009, ka nahatonga ireo mpandraharaha sasany nitsoaka an-daharana noho ny olana ara-bola sy nahatonga ihany koa ny Gepat somary osaosa tsy dia nahavita ny fivoriam-beny isan-taona.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...