Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ahiana hiaran’ny fitsaram-bahoaka

21/03/2013

Ahiana hiafara amin’ny fitsaram-bahoaka sy ny fandrobana ary fandorana trano fonenan’ilay teratany frantsay monina ao Antseranampasika any Toamasina ny raharaha ifanolanan’ity farany amin’ny mpiara-monina aminy. Voatondro molotra ho mpangala-jaza ity teratany frantsay ity, izay efa ratsy fiaraha-monina tamin’ny manodidina. Saika niafara tamin’ny fifandonana ny raharaha rehefa nanomboka nitorabato ny trano fonenany ireo vahoaka izay.

Voaompa hatramin’ny “Consul” frantsay tany Toamasina noho ity farany nanelanelana ny raharaha izay saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoana noho ny tondro omlotra nahazo ity teratany fratsay monina ao Antseranampasika Toamasina ity. Tsy ny vahoaka anefa no nanompa ny “Consul” frantsay any Toamasina fa ilay vazaha mpiray tanindrazana amin’ny ihany. Araka ny angom-baovao tany an-toerana dia efa nanomboka ny talata alina ny raharaha. Nambaran’ireo mponina mipetraka tsy lavitra ny trano fonenan’ilay teratany frantsay fa nahenoan’izy ireo feon-jazakely nitomany tao amin’ila “villa” misy azy mivady tamin’io fotoana io. Tsy niteraka ary tsy nanangan-jaza, izany hoe tsy misy zaza tazaina anefa ao amin’ity toka-trano ity. Teo ary no nipoitra ny resaka: nolazain’ny mpiara-monina fa mangala-jaza ilay vazaha. Vokatr’izany: voatora-bato ny trano fonenan’izy mivady. Marihina fa miaramila frantsay teo aloha, ary efa misotra ronono ilay vazaha. Nitohy hatramin’ny omaly maraina ny raharaha raha nilamindamin-dratsy ny talata alina. Tonga teny an-toerana hatramin’ny mpitandro filaminana avy amin’ny Polisim-pirenana notarihan’ny Officier Rafaliarivo Jules izay nanakana ireo mponina izay efa nivonona ny hanapotika tanteraka an’ity vazaha ity. Tonga teny an-toerana ihany koa avy eo ny masohivoho frantsay ao Toamasina sy ny mpisolo vava nalain’ilay tera-tany frantsay, ary ny kaomisera misahana ny Toamasina I.

Fitsaram-bahoaka

Na teo aza anefa ny fahatongavan’ireo tompon’andrikitra izay niezaka ny nanelanelana ireo dia mbola nitohy hatrany ny tora-bato izay tonga hatramin’ny fikasana handoro ny trano sy ny ho famonoana ilay tera-tany frantsay mihintsy. Tetsy an-danin’izany dia hita ihany koa fa tsy azo nifandaminana mihintsy ilay tera-tany frantsay miaramila teo aloha. Nandrangaranga ny hampiasa ny basiny sy ny fitaovam-piadiana nambarany fa teny aminy hiarovan-tena no ambetin-teniny, izay miaraka amin’ny ompa sy teny ratsy variraraka. Isan’ny voaompa mivantana tamin’ilay vazaha ny “Consul” frantsay any Toamasina, na dia niezaka aza ireo mpanelanelana rehetra izay samy niala mihintsy moa ny farany.
Nangatahan’ny mpitandro filaminana sy ny “Consul” frantsay any Toamasina hiala amin’io trano nonenany io ilay teratany frantsay mba ialana amin’ny fitsaram-bahoaka izay ahiana mafy dia mafy noho ny hatezeran’ireto farany. Hatramin’ny omaly hariva anefa dia tsy mbola niala tao amin’ny tranony ity tera-tany frantsay sy ny vadiny fa mbola miziriziry amin’ny heviny hatrany. Ireo mponina ihany koa anefa tsy manaiky lembenana fa maneho hatrany ny hatezerany.
Marihina fa hatreto dia samy tsy hita izay marina tamin’ny fisian’ny resaka hala-jaza sy ny tsy fisian’izany

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...