Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy ara-dàlana nandritra ny enim-bolana

23/03/2013

Tontosa omaly ny fametrahana ny lehiben’ny distrika vaovao any Ambanja. Raha hiverenana kely ny zava-nitranga mahakasika ny fiadidiana an’ity distrika ity dia efa enim-bolana izay no tsy nandeha tamin’ny laoniny intsony izany noho ny tsy faneken’ny lehiben’ny distrika teo aloha ny fanampahan-kevitra namindra azy tamin’ny toeran-kafa. Fantatra ihany koa tetsy an-danin’izany fa tsy nanatontosa ny asany araka ny tokony ho izy intsony izany tompon’nandrikim-panjakana izany hatramin’izay enim-bolana izay.

Omaly ary, arak’izany vao tontosa ny fanesorana ny lehiben’ny distrika teo aloha tany Ambanja tamin’ny toerany. Ny fametrahana ny lehiben’ny distrika vaovao no nanamarika izany. Tsy iza ny lehiben’ny distrika vaovao fa Bemahefa Gervais izay efa nisahana andraikitra tany amin’ny Faritra Analanjirofo talohan’izao fanendrena vaovao izao. Lanonana ara-panjakana notarihan’ny minisitry ny Atitany no natao tany an-toerana ho fametrahana izany lehiben’ny distrika vaovao izany. Nialohavana fanaovana fanomezan-toky izay nataon’ny lehiben’ny distrika vaovao teo anatrehan’ny mpitsara tao amin’ny Fitsarana tany an-toerana izany lanonana izany.
Tsara ny manamarika fa betsaka ny zavatra simba tao amin’ny birao sy ny trano fonenan’ny lehiben’ny distrika any Ambanja. Antony ilazana fa tsy nandeha tamin’ny laoniny tokoa ny fitantanana tao amin’izany distrika izany nandritra ny volana maro.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...