Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Latsaka tany anaty rano, olona fito no maty

25/03/2013

Olona fito no indray maty, ka isan’izany ilay relijiozy vavy, teratany italiana izay sambany tonga teto Madagasikara. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo amin’ny tetezana ao Tetezambato/Ambohimandroso Gara, ny zoma 22 marsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora sy 15 minitra. Fiara roa no nifandona tao anatin’ity tetezama ity ka latsaka tany anaty rano ilay nandona. Fiara tsy mataho-dalana an’ny fiangonana Katolika any Ambositra izay vao avy nitsena Masera teratany Italianina teny Ivato Antananarivo, no nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana hafa izay an’ny ministeran’ny Fambolena.

Hitodi-doha ho aty Antananarivo ity fiaran’ny ministera raha hianantsimo kosa ilay fiaran’ny Fiangonana Katolika Ambositra. Raha ny vaovao voaray dia vokatry ny tsy fahatomombanan’ny hisatra (frein) no nahatonga ilay fiara nitondra ity masera teratany Italianina ity ho tsy tafajanonona rehefa niditra teo amin’ny tetezana. Ilay 4x4 iray kosa anefa efa tafiditra teo mialoha ary tsy afa-nihemotra intsony.
Vokany, nifandona teo ambonin’io tetezana io ireo fiara 4x4 roa ireo. Nilatsaka tany anaty rano ilay 4x4 iray tapaka “frein” fa ny iray kosa tafajanona teo ambony tetezana. Nisy lehilahy iray nitondra bisikileta ihany koa voadona tamin’io fotoana ary nipitika tany anaty rano. Olona fito no maty vokatr’ilay loza ary anisan’izany ity masera teratany Italianina izay vao notsenaina teny Ivato ity.
Tamin’ny 10 ora alina no tonga teny ny avy ao amin’ny “corps de protection civil” hanao ny fikarohana ireo olona rehetra nilatsaka tany anaty rano. Ny asabotsy tokokony ho tamin’ny 05 ora maraina vao hita ilay fiara 4x4 nilatsaka tany anaty rano, niaraka tamin’ny razana miisa efatra:ilay masera teratany vahiny, ny mpamily, tovolahy kely niaraka tamin’io fiara io iray ary ilay rangahy nitondra bisikileta. Mbola karohina kosa ny telo ambiny izay voalaza fa tao anatin’io fiara io avokoa.
Taorian’ny fizahana natao dia efa nomena ny fianakaviany ny razan’ilay rangahy nitondra bisikileta. Ireo telo hafa kosa nentina any amin’ny Paroisse Fomasin’i Jesoa Ambohimandroso Gara.
Tsy nisy maty kosa ireo olona tao anatin’ny fiara 4x4 an’ny ministeran’ny Fambolena.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...