Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nitsapa kianja tany Alaotra

26/03/2013

Nidina ifotony nihaona tamin’ireo sokajin’olona samihafa tany Ambatondrazaka ny farany herinandro teo ny filoha lefitry ny antoko MDM sady mpikambana ao amin’ny vovonana manohana ny filatsahan-ko fidin’i Pierrot Rajaonarivelo, Haja Fidinarivo. Fihaonana fakan-kevitra amin’ireo heverina fa mitovy fomba fijery amin’ity antoko politika ity io notontosaina io, raha arak any namaritan’ity mpanao politika izy azy.

Nahitana mpandraharaha, solom-bavambahoaka teo aloha, talem-paritry ny sampandraharaha samy hafa sy ny mpanao asa tena ary tangalamena io fihaonana tao Ambatondrazaka io. Samy namoaka ny heviny mahakasika ny fifidianana izay ho tanterahina eto amin’ny firenena ireo mpandray anjara tamin’izany fihaonana izany. Raha hita fa mitovy ny fomba fijery, hoy ny filoha lefitry ny antoko MDM, dia hiroso amin’ny fananganana ny komity mpanohana an’i Pierrot Rajaonarivelo any amin’ny faritra Alaotra izy ireo. Fantatra fa any amin’ny distrikan’Amparafaravola indray no handray ny dinika miaraka amin’ny komity mpanohana an’i Pierrot Rajaonarivelo amin’ity herinandro ity.
Tanjona hoy ny tompon’andraikitra dia mba teny hifampierana no itondrana ny fampielezan-kevitra amin’ny fotoam-pifidianana fa tsy ny antoko iray na telo fotsiny. Manomboka mametraka ny rafitra ao aminy any amin’ny faritr’Alaotra arak’izany ny komity mpanohana an’i Pierrot Rajaonarivelo.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...