Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hanara-maso ireo fiara vaventy ny fanjakana

26/03/2013

Tsy ho azon’ny fiara vaventy atao intsony, atsy ho atsy, ny mitondra entana mihoatra ny zakan’ny lalam-pirenena. Izay no azo ilazana ny fanampahan-kevitra noraisin’ny ministeran’ny Asa vaventy miaraka amin’ny ministeran’ny Aitaterana izay hanara-maso akaiky ireny fiara vaventy ireny manomboka izao. Ny lalam-pirenena faharoa mampitohy ny renivohitra sy Toamasina no voalaza fa hanombohana izany fanaraha-maso izany. Ho entitra ny fanaraha-maso ireo fiarabe mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena manomboka izao. Izay no nambaran’ny loharanom-baovao avy ao amin’ny ministeran’ny Fitaterana izay nilaza fa atomboka amin’ny fampahafantarana sy ny fanentanana aloha ny hetsika rehetra. Ny lalam-pirenena faharoa no hanatanterahana izany manomboka izao, rah any loharanom-baovao ihany. Ny famerana ny havesatry ny entana azon’ireny fiarabe ireny entina no tanjon’izany hetsika izany.

Ny havesatry ny entana izany antony iray voalohany sady lehibe indrindra amin’ny fahasimban’ny lalam-pirenena raha araka ny fanambaran’ny teknisianina eny an’ivon’izany ministera izany. Hiditra amin’ny fampiharana ny famerana ny entana entin’ny fiara vaventy arak’izany ny governemanta.
Marihina fa lafo dia lafo ny fanarenana na ny fanamboarana ny lalam-pirenena amin’izao fotoana izao. Iaraha-mahalala ihany koa fa hatramin’ny nitsanganan’ny fitondrana tetezamita dia tsy marisika ny mamatsy vola ny fanamboaran-dàlana eto amintsika ireo mpamatsy vola lehibe efa nahazatra amin’izay fanamboaran-dàlana izany. Tsy maintsy miditra amin’izay fampiharana ny fepetra fampihenana ny havesatry ny entana entin’ny fiara veventy izay arak’izany isika eto Madagasikara raha tiana ny hampaharitra ireny lalam-pirenena ireny.
Ho fampiharana izany dia hisy, araka ny loharanom-baovao ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny Fitaterana sy ny ministeran’ny Asa vaventy ary ny mpitatitra. Araka ny nambara tetsy aloha dia hisy ny dingana voalohany izay hiompana amin’ny fanentanana sy ny fampahafantarana izay fanampahan-kevitra izany. Aorian’izay dia tsy maintsy hirosoa amin’ny dingan’ny fanasaziana ireo izay mandika izany ny tompon’andraikitra.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...