Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tafatsangana ny komity mpanara-maso

26/03/2013

Niroso amin’ny fampiharana ny didim-panjakana laharana 12/PM-CB izay nivoaka tamin’ny 03 febroary 2012 izay mametraka ny “Standard de Service” amin’ny biraom-panjakana ny any Toamasina amin’izao fotoana izao. Efa tafatsangana ny komity manokana ho fanaraha-maso izany ho an’ny faritra Atsinanana izay tarihan’i Talata Michel talen’ny lafitany.

Marihina fa efa nisy ny fampahafantarana ity llana ity tamin’ireo servisim-panjakana. Arak’izany dia nanomboka omaly ny fidinana ifotony amin’izay hijery ny fampiharana izany. Nofidiana manokana ny Hopitaly be sy ny DREN atsinanana ary ny kaomisaria ny polisin’i Toamasina I. Tafiditra amin’ny fanaraha-maso nataon’ireto komity ireto ny fijerena ny “plan de masse” ny birao, ny fametrahana ny “badges” ho an’ny mpiasa, ary ny fametraha any “boite des idees” hilazan’ny olona ny fitarainany sy ny hetahetany. Raha ny nambaran’Atoa Talata Michel mitarika ny komity, dia “samy nanaja ny fitsipika napetraka avokoa ny rehetra, ny indro kely hita rehetra kosa dia harenina manomboka ireo ary natao ho fanombohana sy filamatra ihany ireto notsidihina mba hanarahan’ireo mbola tsy nampihatra izany ny mba hanao izany. Hisy kosa ny sazy araka ny lalana ho an’ireo lehibe na servisy minia tsy manaja ny fitsipika napetraka, hisy koa ny fisaorana manokana ho an’ireo mpanara-dalana”.
Ho an’ny kaomisarian’ny polisy Toamasina I tarihan’ny kaomisera Ramanandro Gabriel, dia nambarany fa “nohajainay avokoa ny rafitra napetraka, efa iray volana eo izay no nametrahana ny ‘boite des idees’ hahafahan’ny olona mametraka ny fitarainany sy ny hetahetany izay sokafanay in-02 isam-bolana. Tsy naman’ireo polisy mpandika lalana izahay, ka raha misy ny fitarainana dia dinihanay miaraka amin’ny tale izany, ka manomboka amin’ny sazy anatiny izany raha mbola maivana, tsy maintsy miakatra fitsarana raha tena mihoampampana”. “Ny tsy fametrahana ny ‘tarif des amendes’ no fanakianana ho anay, ka hapetraka izany ho hitan’ny be sy ny maro hialana amin’ny mety ho ahiahin’ny mpanan-draharaha”, hoy hatrany ity kaomisera misahana ny kaomisarian’i Toamasina I ity.
Araka ny angom-baovao, dia mahatratra 180 isan-kerinandro eo ny taratasy fandoavana lamandy avoakan’ny polisy misahana ny fifamoivoizana, ka ny tsy fanaovana aro loha, ny tsy fananana taratasy fitondrana moto ary ny cyclo-pousse sy posy tsy misy jiro amin’ny alina no maro amin’izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...