Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ho faty ny Malagasy ...

27/03/2013

Nampanelo lakolosy manoloana ny loza mitatao amin’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo na ny FAO. Araka ny fanambarana navoakan’ity rafitra ity dia ho potiky ny andiam-balala ny vokatra eto Madagasikara raha tsy mandray andraikitra haingana dia haingana manoloana ny firongatr’izany andiam-balala izany ny rehetra. Afa mandrakotra ny antsasak’i Madagasikara amin’izao fotoana izao izany andiam-balala izany, hoy ihany ny fanambarana. Vola mitentina 41 tapitrisa dolara anefa no ilaina afahana miatrika izany.

Efa rakotry ny andiam-balala ny antsasak’i Madagsaikara amin’izao fotoana izao. Ho rakotra tanteraka ny firenena alohan’ny volana septambra raha sanatria ka tsy maty ireo andiam-balala izao. Isan’ny nisongadina izany tao anatin’ny fanambarana fanairana nataon’ny FAO momba ny loza mitatao eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nambaran’ity fanambarana ity ihany koa fa ny voly, indrindra ny 60% n’ny voka-bary manerana an’i Madagasikara amin’ity taona ity no ho lasibatra amin’izay firongatry ny andiam-balala izay. Lasibatra torak’izany ihany koa rehefa mety zava-maitso amin’ny faritra izay rakotr’izany andiam-balala izany. Tandindomin-doza arak’izany ny vokatra fihinana eto amin’ny firenena ary ahiana mafy ny hahatonga izany ho antony hahatonga masary ho an’ny Malagasy. 60% n’ny Malagasy no ho lasibatr’izany hanohanana izany, hoy hatrany ny tatitry ny FAO, ary ho an’ny mponina any amin’ny faritra atsimo manokana dia hahatratra hatramin’ny 70% n’ny mponina no ho tratran’ny hanohanana.
Volabe anefa no ilaina amin’ny famongorana izany andiam-balala izay. Araka ny vinavinan’ny FAO, izay nambarany tao amin’ny fanambarana izay navoakany omaly dia mahatratra 41 tapitrisa dolara ny vola ilaina hamonjena an’i Madagasikara manoloana ity loza mitatao aminy ity. Ny 22 tapitrisa dolara amin’io dia ilaina maika dia maika mba hahafahana mamono ireo andiam-balala efa mananika ny antsasaky ny firenena amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy mbola mila 19 tapitrisa dolara fanampiny anefa satria tsy maintsy maharitra 3 taona ny asa famongorana ny andiam-balala izay mizara ho dingana maro.
Tsy noraharahiana
Tsara ny manamarika fa efa tamin’ny volana novambra tamin’ny taona 2012 no efa nampaneno lakolosy manoloana izao firongatry ny andiam-balala izao ny ministeran’ny Fambolena. Efa nokilasiana ho loza voajanahary miantra eto Madagasikara mihintsy ny andiam-balala tamin’ny fanampahan-kevitry ny Governemanta tamin’ny 27 novambra 2012. Tetsy an-danin’izany dia efa nisy ihany koa ny antso avo natao teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ny firongatr’izany andiam-balala izany. Iaraha-mahalala anefa fa tsy nataon’izao fitondrana tetezamita izao ho laharam-pahamehana akory izany ansto avo nataon’ny ministeran’ny Fambolena izany. Porofon’izany izao tsy fifehezana intsony ny andiam-balala izao sy fahavoazana tsy hita noanoa mety haterany eo amin’ny fiainam-pirenena. Ho an’ny FAO dia mazava ny fahitany ny zava-misy. Tsy ampy na azo lazaina ho tsy nisy mihintsy ny fandraisan’andraikitry ny Fitondrana Malagasy manoloana an’ity loza mitatao ity. Nambaran’ny FAO fa tsy nisy afa-tsy 30 000 ha ny velara-tany voatondraka fanafody famonoana valala tany atsimo raha 100 000 ha no tokony ho rarahana izany. Nanampy trotraka izay tsy fahavitan’ny fanjakana ny asany izay ihany koa ny fandalovan’ny rivo-doza Haruna izay nanampy ny firongatry ny andiam-balala ihany koa sy nanapotika ny ampahany betsaka tamin’ny vokatry ny mponina tany amin’iny faritra atsimo iny.
Antso avo no nataon’ny FAO. Antso avo toy izay efa nataon’ny PAM ihany koa tamin’ny fotoan’androny izay nampandre mialoha fa mety ho foana ny fanampiana ara-tsakafo ny sekoly eto Madagasikara. Niarahan’ny rehetra nahita fa tsy nisy taitra na iray azan y mpitondra tetezamita tamin’izany fanambaran’ny PAM izany. Asa na mba ho taitra izy ireo amin’ity fanambaran’ny FAO ity na mbola hanampi-tsofina toy ny mahazatra ihany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...