Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hitsidika ny CCIT ny CCI Bordeau

05/04/2013

Tsy niandry ela fa avy hatrany dia am’perin’asa ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria izay vao napetraka tamin’ny toerana tamin’ny fomba ôfisialy farany teo. Omaly dia nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Lehiben’ny Faritra Antsinanana Alain Mahavimbina izy ireo.

Tamin’izany fitsidihana izany no nahafantarana fa handray vahiny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany ny CCOT ny 21 hatramin’ny 25 may 2013 izao. Ho avy any Toamasina ny iraky ny CCI avy any Bordeau Frantsa. Mandritra io fahatongavan’ireo vahiny any Toamasina io no hanaovana sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Mialoha an’izany anefa dia hihazo an’i Bordeau ny filohan’ny CCIT sy ny ekipany ny faran’ny herinandro izao hametraka ny drafi-piaraha-miombon’antoka ho fanomanana izay fifanaovan-tsonia izay. Ankoatry ny fiaraha-miasa amin’ny CCI Bordeau izay nambara tery ambony dia fantatra ihany koa fa efa vonona ny CCI any Chine sy CCI Canada amin’ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ny CCIT, saingy mbola miandry ny drafi-piaraha-miombon’antoka eo amin’ny roa tonta ny raharaha dia hiroso ihany koa amin’ity taona ity ihany.

Hiara-miasa

Nandritra ny fihaonana tamin’ny lehiben’ny Faritra Antsinanana no nilazan’ny filohan’ny CCIT Rafidimanana Narison fa “avy hatrany dia asa ny anay, ny tanjona ho anay manombomka izao, dia ny mangaraharaha, ny fitantanana tsara, ny fiaraha-midinika ny tsirairay, ary ny fiarahana manapaka ny teti-panorin’ny fampandrosoana entina hanatsarana ny CCI Toamasina”. Tsara ny manamarika fa sambany tao anatin’ny dimy taona no nisy fifidianana vita ara-dalana sy nisy famindram-pitantanana ara-panjakana ary tamin’ny fomba feno fanajana teo amin’ny ekipa miala sy ny miditra tao amin’ny CCIT.
Nambaran’ny lehiben’ny faritra Antsinanana, Mahavimbina Alain kosa fa “tsy hanao toy ny birao rehetra teo aloha ianareo birao vaovao ireto ka tsy hahatody ny fempotoana iasany. Teknisiana sy tanora vonona amin’ny fampandrosoana avokoa ianareo, ka inoana ny ho fitazonan’ny Antenimieran’ny Varotra ny tena toerany amin’ny maha-antoky ny fampiroboroboana ny fandraharaha sy ny mpandraharaha ary ny ara-toe-karena azy”. Namaly izany avy hatrany Rafidimanana Narson fa “hiaraka isika manomboka izao amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena eto, sy ny fampandrosoana marina ny mpandraharaha, ary lafiny fandraharana amin’ny maha-kapitaly ekonomika antsika”.
Raha hiverenana ny tantara, dia olana hatrany ny fitantanana ara-bola sy fampidiram-bola tao amin’ny CCI Toamasina. Vokatr’izany tsy voajery ny mpiasa ary adino ny toe-karenan’ny faritra, ary tsy nisy ny vola nentina niasa intsony ity rafitra ity. Ireo no anton’ny hetseka nataon’ny mpiasa sy ny fitokonana nanomboka ny taona 2010 ka hatramin’ny 21 martsa 2013 nametrahana ny Comite ad’hoc izay in-droa nosoloina. Amin’izao fotoana izao dia manana ambim-bava 400 tapitrisa ariary azo tamin’ny lavanty farany teo ary entina hisahanana ny karaman’ny mpiasa sy fampihodinana ny CCI Toamasina ny mpitantana vaovao.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...