Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hihazo an’i Tolagnaro

11/04/2013

Mihomana fatratra amin’ny fandraisana ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana avy aty Antananarivo ny mpomba ny filoha teo aloha anya tampon-tananan’i Tolagnaro. Araka ny fantatra dia ny lehiben’ny ankolafy, Rakotoarivelo Mamy sy ny mpisolovava Razafimanantsoa Hanitra no ho avy any an-toerana ato ho ato.

Ny loharanom-baovao avy any an-toerana no nahafantarana fa raha vantany vao naharay io vaovao io ireo mpikambana mavitrika amin’ny ankolafy Ravalomanana any an-toerana dia efa nandray andraikitra sahady amin’ny fiomankomanana rehetra manandrify izany. Nisy arak’izany ny fivoriamben’izy ireo izay natao tao amin’ny trano fonenan’i CST MOSA Tahiry Bazaribe ny alarobia misandratr’andro teo. Fantatra ihany koa fa mbola hitohy amin’ny asabotsy izao izany fihaonambe izany.
Voalaza fa amin’izao fahatongavan’’ireto delegasiona tarihin’ny, filohan’ny kongresy sy filoha lefitry ny Filan-kevitra ambonin’ny tetezamita izao no hanaporofoanan’ny mpomba an-dravalomanana any amin’ity faritra ity ny maha iray tsy misamaka azy ireo sy amin’ny maha tsy mivadi-belirano azy ihany koa. Manantena ny handray ny hafatry ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ihany ko aizy ireo amin’io fotoana io, araka ny voalaza nandritra ny fivoriambe ihany.
Mazava loatra fa manomboka manetsika ireo ekipa any amin’ireo kaomina 27 sy ny ao an-drenivohitry ny faritr’Anôsy ny biraon’ny ankolafy Ravalomanana any an-toerana izay tarihin’ny filohany MAHAZOVELO Raymond.
Tsara ny mampahatsiahy fa hatramin’izay nanonganan’i Filohan’ny F.A.T. ny fitondran-dRavalomanana dia tsy mbola nitsidika ny distrikan’ny Taolagnaro ny tenany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...