Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tara ny lisim-pifidianana

12/04/2013

Raha ny 7 avrily no daty nambaran’ny CENI-T fa hamaranana vonjimaika ny lisim-pifidianana dia ny 11 avrily, izany hoe omaly tamin’ny 4 ora tolakandro izany vao vita raha ny tao Toamasina no resahana. Tamin’io fotoana io va namory ireo filoham-pokotany ny delegem-panjakana tao amin’ny boriboritany Ambodimanga.

Nadritra io fivoriana io no nitsinjarana ireo lisi-pifidianana vonjy maika hahafahan’ireo mpifidy manamarina sy manitsy ny anarany raha sendra misy fahadisoana. Marihina fa sarotra dia sarotra ny mikaro-baovao mikasika ny resa-pifidianana indrindra ny mikasika ny lisi-pifidianana eo anivon’ny CER Atsinanana. Na tsy hita birao ireo mpikambana, na milaza ny tsy afaka manazava, raha tonga ny mpanao gazety maka ny vaovao.

Ankoatr’izay dia maha be resaka ny maro ihany koa amin’izao fotoana izao ny raharaham-bola momba ity fiatrehana ny fifidianana ity, indrindra ny fanomezana vola ireo sefo fokontany sy ireo lefiny izay toy ny efa fanampahan-kevitra maty paika amin’izao vanim-potoana fikarakarana ny fifidianana izao. Fantatra, araka ny loharanom-baovao fa homena ny tambin-karamany ny volana febroary : 100.000 ariary ho an’ny filoham-pokontany,50.000 ariary ho an’ny lefiny, izay mbola tsy voaloha tamin’ny CENI teo aloha ny ao anivon’ny CER Atsinanana sy ny CED aToamasina I amin’izao fotoana izao. Nefa hatramin’izao dia mbola tsy nisy izany.

Mamanafy izany ahiahy izany ihany koa ny fandrenesana fa nilaza ny handoha ny tambin-karama isam-bolana nefa raisina isaky ny 03 volana, ampahan’ny voalohany, 30.000 ariary ho an’ny filoham-pokontany ary 15.000 ariary ho an’ny lefiny, ny minisiteran’ny atitany. Miandry ny tambin-karamany, arak’izany, ireto filoham-pokontany sy ny lefiny ireto. Hatramin’ny nanombohan’ny krizy ny taona 2009 anefa dia ny faritra hatrany no nandoha izany tambin-karama izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...