Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

May kila ilay ramatoa 81 taona

13/04/2013

“Court-circuits” vokatry ny delestazy izay nisy tao amin’io faritra io no niteraka ny firehetan’ny trano naha-kila forehitra an’ity ramatoa be 81 tao ity raha araka ny nambaran’ity raim-pianakaviana nanambara ny alahelony sy ny asosorany nahita ny nanjo ny reniny sy ny nahita ny tranony kila forehitra tao Valpinson P/elle 11/62 Lot 03, omaly. Tokony tamin’ny 07ora sy sasany maraina dia samy efa nivoaka ny trano namonjy ny asa aman’andraikiny avokoa izy rehetra afa-tsy ilay ramatoa be antsoina hoe Marie Jeannette izay marary ary tsy nihetsika teo am-pandriana. Tapaka ny herin’aratra tamin’io fotoana io saingy niverina tampika izany tokony tamin’ny 08 ora. Tamin’io fotoana niverenan’ny herinanratra tampoka io no voalaza fa nahatonga ny “Court-circuits” izay nandrehitra ny trano nisy ilar ramatoabe. Marihina fa trano hazo ity may ity. Nahita ny zava-misy ny mponina manodidina nefa tsy nisy afaka nanao n’inon’inona satria efa avo dia avo ny lelafo ary feno setroka ny trano. Tonga ara-potoana kosa ny mpamonjy voina avy amin’ny kaominina izay nanao ny ezaka tsy hitaran’ny afo. Vokatr’izany, avotra tamin’ny ampahany ilay trano fa ny entana tao anatiny kosa may kila avokoa. Nandritra izany ihany koa no nahitan’ireo mpamonjy voina ity ramatoa be 81 taona maty sy may tanteraka teo ambony fandriana natoriany.

Bokan’ny trosa

“Tompo-marika amin’ny fahafatesan’ny havanay ny jirama. Tsy misy afo tao aminay, tsy nisy zavatra afaka mirehitra ihany koa afa-tsy ny herinaratry ny jirama, izay voaporofon’ny manodidina”, hoy ilay raim-pianakaviana izay naneho ny halahelony tamin’izao zava-nitranga izao.
Marihina fa efa ho herinandro izao no tsy nahafehezan’ny Jirama intsony ny fatapatapahan’ny herinaratra sy ny habetsahan’aratra ary ny tanjaky ny herinaratra vokariny ho an’ny tananan’i Toamasina. Araka ny loharanom-baovao dia miovaova be izany tanjaky ny herinaratra izany: Izany hoe indraindray avo dia avo ary indraindray ambany dia ambany. Ny fanazavana hany mba omen’ny jirama anefa dia olana ara-pitaovana sy ny fahasimban’ny fitaovana mpamokatra herinaratra ary ny tsy fanomezan’ny “Enelec” herin’aratra azy ireo intsony no anton’izany. Araka ny fanazavan’ity farany anefa dia mananiky ny 10 arivo tapitrisa ariary ny trosan’ny Enelec tsy naloan’ny Jirama. Ny zava-misy ihany koa dia tsy mpitantam-bola sy tsy manana teti-bola manokana ho azy intsony koa ny Jirama Toamasina, fa miankina amin’ny foibe aty Antananarivo avokoa ny vola sy ny fanafarana ny fitaovana rehetra. Mampatsiahy ny zava-nitranga tao Tanambao Verrerie, nahamay trano 64 vao iray volana izay, mbola vokatry ny herin’aratry ny jirama hatrany, araka ny vaovao avy any an-toerana.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...