Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

« Fampihavanana aloha »

15/04/2013

Fahavalom-bahoaka ireo izay miziriziry ny hanatanteraka ny fifidianana mialoha ny fanatanterahana ny fampihavanana eto amin’ny firenena. Izay, raha fehezina no votoatin’ny fanambarana nataon’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nomarihan’izy ireo anefa fa tsy manohitra ny fanatontosana ny fifidianana eto amin’ny firenena izy ireo. Ho azy ireo dia tsy maintsy atao aloha ny fandaminana ny teo-draharaha ankehitriny eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ny fampihavanana alohan’ny hanatanterahana izany fifidianana izany. Nomarihan’izy ireo fa tena hitondra vahaolana eto amin’ny firenena tokoa ny fifidianana raha toa ka hialohavana fampihavanam-pirenena izany.

Ankoatr’izany dia nanoritsoritra ny endrik’olona izay tokony hitondra ny tany sy ny fanjakana ihany koa ny HMF. Olona manana toetra mendrika, sahy manome fahafahana ny vahoaka sy ny olom-pirenena, ary olona mahay manaiky ny tsikera atao aminy. Isan’ireo toetra heverin’ny HMF tokony hananan’ny mpitondra ireo, araka ny famaritana nataony. Nambarany fa tsy nofinofy akory ireo fa azo atao dia azo atao ny manatanteraka azy.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...