Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nanao tifi-danitra ny polisy

16/04/2013

Teo Tanambao V Toamasina, manoloana ny araben’ny CRJS mifanila amin’ny CEG Ratsimilaho no nitranga ity raharaha ity ny alahady teo tokony ho tamin’ny mitatao vovonana. Nisy lehilahy roa nitaingina cyclo-pousse tamin’io fotoana io.

Tetsy an-kilany nisy polisy roa lahy nitaingina Scooter manao fanamiana tsotra nanaraka taorian’ity “cyclo-pousse” nitondra azy roalahy ity. Tsy nieritreritra n’inon’inona ireo polisy tamin’ny voalohany, araka ny nambaran’izy ireo, saingy nahagaga azy ireo ihany ny nataon’izy roa lahy ireo. Tamin’izay anefa no nivoaka hanao “patrouille” koa ireo ny polisy ny kaomisarian’i Toamasiana I ka nihazo ny bouleverd Andovoranto Tanambao V CRJS – CEG Ratsimilaho iny. Vantany vao hitan’ireo jiolahy nitaingina “cyclo-pousse” anefa ireto polisy manao “patrouille” sy ireto nitaingina Scooter taoriana, dia nitsambika izy roa lahy ary nitsoaka nihazo ny CEG Ratsimilaho. Mora tamin’ireto polisy anefa no nanara-dia azy, ka raikitra ny tifi-danitra tamin’ny kalaky sy ny PA nataon’ireo polisy mba hampijanonana azy roa lahy. Avy hatrany anefa noho tahotry ny voatifitra dia nijanona ary nanaiky nosamborina ireto jiolahy roa lahy. Fantatra ary ireo fa “isan’ireo nanafika ny volan’ilay sinoa tao Tanambao V farany te izy roa lahy ireo, ary efa misy raharaha hafa koa no hanenjehana azy ireo araka ny fitorian’ireo olona nanaovany ny asan-jiolahy”.
Efa eo am-pelan-tanan’ny polisy izy roa lahy ireo ary mandalo fanadiadiana, ka ho hita eo ny tohin’ny raharah.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...