Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Miparitaka ihany koa

17/04/2013

Toy ny zava-nitranga tao anivon’ny antoko TGV sy ny antoko Leader Fanilo izay samy nanohana an’i Andry Rajoelina nandritra ny fanonganam-panjakana nananganana izao tetezamita izao dia manomboka mpiaritaka ihany koa amin’izao fotoana izao ireo samy mpikambana ao amin’ny antoko Avi. Araka ny fanambara nataon’ireo mpikambana maromaro avy ao amin’ny birao foibe nasionalin’ity antoko ity dia tapa-kevitra ny hanohana ny kandidà Hajo Andrianainarivelo izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao eto amintsika. Raha atao amin’ny teny hafa dia mitsipaka ny kandidàn’ny TGV izy ireo amin’ity fifidianana ity. Fitsipahana izay azo adika ihany koa ho fitsipahana ny filohan’ny tetezamita izay iaraha-mahalala fa manohana zato isan-jato ny kandidan’ny antoko izay noforoniny. Isan’ireo hanohana an’i Hajo Andrianainarivelo ny filoha lefitra nasionaly miisa roa avy ao amin’ny antoko Avi. Hanaohana an’ity kandidà ity ihany koa ireo mpandrindra nasionaly sy ny mpitam-bola nasionaly miaraka amin’ny lefiny ary ny filohan’ny vaomiera samihafa ao amin’izany antoko izany.

Isan’ny antony hanohanan’izy ireo an’ity kandidà ity dia noho ity farany nandray anjara tamin’ny tolona natao teto amin’ny firenena, hatramin’ny niandohany ka hatramin’izao.
Ankoatry ny fanambarana momba ny fanohanan’izy ireo ny kandidà Hajo Andrianainarivelo dia isan’ny nambaran’izy ireo ihany koa ny fitakian’izy ireo ny amin’ny tsy tokony hikitihana ny datim-pifidianana 24 jolay sy amin’ny 24 septambra 2013. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy misy afa-tsy ny firosoana amin’ny fifidianana no hivoahan’ny firenena amin’ny krizy.
Tsara ny manamarika fa nilaza ny hipetraka ho Ray aman-dReny ny filoha mpanorina any antoko AVI sady mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny tetezamita, Ratsirahonana Lala Norbert, manoloana izao teo-draharaha izao. Etsy an-daniny anefa dia hanohana an’i Hajo Andrianainarivelo ny zanany lahy Ratsirahonana Lala, filohan’ny komisiona momba ny lalàna ao amin’ny antoko Avi. Fantatra ihany koa fa hanatanteraka fihaonambe atsy ho atsy ity antoko ity.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...