Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nisintaka tsy ho kandidà

29/04/2013

Raha nifandrombahana ny fametrahana ny filatsahan-ko fidina filoham-pirenena tamin’ny andron’ny omaly, teny amin’ny lapan’ny HCC Ambohidahy dia niavaka tamin’ireo kandidà maro kosa i Avoko Rakotoarijaona, filoha nasionalin’ny antoko Madagasikara Afaka na MAF. Araka ny fantatra dia nisintona ny fangatahany ho isan’ny kandidà amin’izany fifidianana izany ny tenany tamin’io omaly io. Hatreto dia tsy fantatra mazava tsara ny tena antony nanosika ity kandidà ity hiala an-daharana. Raha ny nambarany omaly tamin’ireo mpanao gazety izay teny Ambohidahy tamin’ny fotoana nisintonany ny filatsahan-ko fidiny dia ny fahitany ny tsy fisian’ny famatorana amin’izao fifidianana izao no antony nialàny. “Efa tsy fifidianana intsony izao hatao eto amin’ny firenena izao”. Izay no nambarany tamin’ireo mpanao gazety. Tsy nanazava mihoatra an’izay kosa anefa ny tenany.

Etsy an-danin’izany kosa, fantatra tamin’ny alalan’ny taratasy izay napetrany tao amin’ny CES omaly fa ny tsy fahampian’ny atontan-taratasiny no antony tsy nafahan’i Avoko nanohy ny maha kandidà azy. “Misy ny taratasy nalaina izay tsy fenoko hatramin’izao”, hoy ny voasoratra ao amin’ny fangatahana ny tsy ho kandidà napetrak’i Avoko tao amin’ny CES omaly.
Tsara ny mampatsiahy fa efa an-taonany no nanomana ny firotsahany ho kandidà amin’izao fifidianana filoham-pirenena izao ny maître Avoko. Tamin’ny 25 avrily ny taratasy filatsahanko fidiny no tafapetraka tao amin’ny CES. Izany ho isan’ireo kandidà lohalaharana tamin’ny filatsahan-ko fidina ny tenany.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...