Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

« Ilaina ny famerenana an-dRavalomanana eto Madagasikara”

30/04/2013

Nitondra fanazavana ny antony nahatonga azy hilatsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny Amiraly Ratsiraka, omaly. Araka ny nambarany dia noho ny feo naelin’ny sasany izay milaza fa niray tsikombakomba tamin’ny FFKM amin’ny fanemorana na fanafohanana ny fifidianana no hanatonga azy hilatsaka ho fidina filoham-pirenena. Namafisin’ny Amiraly ratsiraka tamin’ity valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ity ihany koa fa ten any handray anjara amin’ny finika fampihavanana tarihan’ny FFKM tokoa no tena anton-diany tamin’izao fahatongavany teto an-tanindrazana izao. Etsy an-danin’izany nambaran’ny filoha teo aloha ihany koa fa avy amin’ny fanampiana tamin’ireo mpanohana azy, indrindra ireo avy any ivelany no nahafahany nandrotsaka ny vola manandrify ny filatsahany ho fidina filoham-pirenena.

Nambarany fa mbola ampy hiatrehany izany asa maha-filoham-pirenena izany ny fahasalamany ara-batana sy ara-tsaina amin’izao fotoana izao. Mahakasika ny resaka mandeha amin’ny tsy fahafenoany ny fepetra maha kandidà filoham-pirenena azy dia nambaran’ny Amiraly fa tsy avy aminy velively ny tsy naha teto Madagasikara azy nandritra ny vvolana maro. Nambarany fa efa an-taonany ny tenany no nanao fangatahana ny hody eto Madagasikara kanefa tsy nisy valiny avokoa izany fangatahany izany. Nomarihany ihany koa fa nandoha ny hofan-tranony sy ny hofan-jirony teto Madagasikara hatrany ny tenany.
Tsy mankasitraka ny tondrozotra
Nambaran’ny Amiraly Ratsiraka ihany koa fa tsy nivadika tamin’ny heviny akory ny tenany manoloana ny tsy fankasitrahany ny tondrozotra izay itondrana ny tany sy ny fanjakana amin’izao fotoana izao. Ho azy dia tsy nanaraka ny fomba fanao amin’ny fandrafetana làlana fototra itondrana firenena ny nandrefetana izany tondrozotra izany izay vita tao anatin’ny ora vitsy monja kanefa dia lasa làlana mifehy ny tany sy ny fanjakana. Nanamafy ihany koa ity filoha teo aloha ity fa ilaina ny famerenana an-dRavalomanana eto an-tanindrazana mba ahafahana mandikina miaraka izay fivoahana amin’ny krizy.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...