Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Namono olona roa indray

30/04/2013

Nitranga lozan-dranomasina indray omaly ny teo amin’ny fari-dranomasina am-pidirana ny vavalapasy tany Seranan’ny Soanierana Ivongo. Ity ilay faritra nahafaty ny minisitra Nadine Ramaroson. Omaly tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro no nitrangan’ny loza.

Sambo kely antsoina hoe “Rozina V” ity niharan-doza ity izay nitondra mpandeha miisa20 eo ho eo, araka ny loharanom-baovao. Olona roa izay mpivady efa nahazo taona no maty vokatr’izany lozam-pifamoivoizana an-dranomasina izany. Marihina fa sendra teo am-pivoahana ny vavalapasy nitrangan’ity loza ity ny sambo kely iray hafa mitondra ny anarana hoe “Melissa”, ka izy no niezaka nanavotra ireo mpandeha tamin’ilay sambo rendrika. Izay no antony nahavitsy ny maty sy tsy nampisy ireo tsy hita popoka.
Raha ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny mponina any Soanierana Ivongo nanaovana ny angom-baovao, dia noho ny fikatsohan’ny familiana ny sambo tao amin’ny fanambanin’ilay sambo kely no nahatonga ny loza; satria nitsivalana izy ireo ka mora tamin’ireo onja nifanesy ny nampihongana azy ka nivadika ambony ambany ilay i “Rozina V”.
Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy ireo avotra tamin’ity loza ity. Efa nalainy havany kosa ireo razana roa maty nandritra ny loza. Ny zandary ao Soanierana Ivongo ny manao fanadiadiana ny tena olana nahatonga ny loza. Ankoatra izay dia ny angom-baovao no nahalalana fa somary misimisy ihany ny onja eo am-pidirana ny vavalapasin’ny Soanierana Ivongo tato ho ato saingy tsy nampisy olana ho an’ireo sambo kely mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Sainte Marie izany. Ity “Rozina V” ity ihany koa dia saika hanatitra olona sy entana ao Soanierana Ivongo fotsiny ary mbola hampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Toamasina.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...