Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Noroban’ny vahoaka

06/05/2013

Tsy zakan’ny vahoakan’I Mananara intsony ny fatapahan-jiro izay misy any an-toerana n any delestazy izany. Ny fisian’ny maty iray tao amin’ny hopitaly vokatry ny fahatapahan-jiro no tena nampirongatra ny vahoaka. Voalaza mantsy fa efa niangavy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama ny tao amin’ny sampan fandidiana tao amin’ny hopitaly, noho ny fisian’ny fandidiana maika tsy maintsy natao, kanefa dia mbola tapaka ihany ny jiro.

Maty noho izany ilay marary nila fandidiana. Vokany: nanao hetsika izy ireo tamin’ny faran’ny herinandro teo. Andian’olona maro no nandray anjara tamin’izany izay nihazo ny toerana misy ny biraon’ny Jirama eo akaikin’ny biraon’ny distrika ary saika hangataka fanazavana sy hitaky vahaolana tamin’ny tompon’andraikitra tany an-toerana. Tsy nisy hita tao amin’io toerana io anefa ireo teknisiana sy ny tompon’andraikitry ny Jirama izay efa nandositra mialoha rehefa nahita ny fahamaroan’ny olona sy ny hatezeran’izy ireo. Rehefa tsy nahita azy ireo tao ny vahoaka dia nihazo avy hatrany tany amin’ny tranon’ny “chef de zone” ao Mananara avaratra, ka avy hatrany dia niditra ary nandrava ny tao an-trano, ankoatra ireo entana nisy nangalatra sy nitondra nody. Hatramin’izao fotoana izao dia tsy fantatra ny toerana misy ilay “chef de zone” izay karohan’ny olona fatratra, ny herin’aratra ihany koa tsy mbola misy any an-toerana.
Marihina fa efa naharitra folo volana no nisy delestazy tany Mananara ary tato anatin’ny efabolana farany teo no tena zara raha nandeha ny jiro tao an-tanana satria adiny telo monja isan’andro izany.
Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany dia efa nisy ny fihaonana nataon’ny tale jeneralin’ny Jirama teto Antananarivo ny volana desambra lasa iny sy ny volana febroary teo. Efa nilaza izy ireo fa efa misy ny fitaovana hanoloana ny “groupe” simba ary ho vita tsy ho ela izany izay tokony ny faran’ny volana febroary teo ihany; nefa hatramin’izay tsy hita ilay “groupe” no tsy nisy vahaolana ny delestazy iainan’ny mponina efa 10 volana izao ao Mananara avaratra. Raha ho an’ny Jirama Toamasina izay misahana ny ao Mananara avaratra, dia ny mpiasa tao no nahazoam-baovao izay nilaza fa ny vola entina hanamboarana ny fahasimbana no olana amin’ny Jirama Toamasina, manginy fotsiny ny olana ara-tsolika. Izay antony mahatonga ny fiverenan’ny delestazy ao Toamasina izao satria izay oman’ny Enelec no ampiasaina noho volany amina miliara tsy alohan’ny fanjakana; saika hanapaka ny famatsiany solika ny mpamatsy izany noho volany tsy voaloha nefa noho ny fifampiresahana teo amin’ny Jirama sy ireto mpamatsy dia nisy ihany izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...