Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ny Kolonely Rabemonina Julien komandy vaovao

06/05/2013

Taorian’ny disadisa teo anivon’ny toby miaramila laharana faha-03 Toamasina, ka nivoahan’ny didim-panjakana tamin’ny alalan’ny filan-kevitry ny minisitra ny volana marsa teo, dia ny Kolonely Rabemonina Julien no komandy vaovao ny toby RM3 Toamasina izay nasolo ny Jly Rasamoelina. Vita ny zoma teo ny famindram-pibaikona teo amin’ny kolonely miditra sy ny jeneraly mivoaka teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena, izay nantrehan’ny Jly Ndriarijaona Andre lehiben’ny etamazaoro ny tafika malagasy nitarika ny famindram-pibaikona sy Randriamaharitra Clarys sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fiarovana nisolo tena ny minisitra. Ny fampanajana ny lalana sy ho an’ny tanindrazana ary ny maha-tandroka aron’ny vozona ny tafika Malagasy no hafatry ny Jly Ndriarijaona Andre.

Raha ny mikasika manokana ny Kly Rabemonina Julien dia ny taona 1979 no nidirany teo anivon’ny sekoly mpanofana manam-boninahitra Antsirabe ACMIL izay nivoahany tamin’ny andiany faha-12. Ny taona 1987 kosa no nianarany tany frantsa mikasika manokana ny jenia, ankoatra ireo fibaikona efa notanany izay mikasika avokoa momba ny taon-javam-baventy teo anivon’ny tafika. Isany nisongadina tamin’ireny ny fanamboarana ny lalana tao Vatomandry sy Antanambao Manampontsy ny taona 1988 – 1989, ka ny vola azo tamin’izany dia nentina nividianana ireo fitaovan’ny jenia miaramila Toamasina sy nanamboarana ny trano 80 ho an’ny tafika eny Barikadimy. Raha ny tantaran’ny RM3 Toamasina izay niorina ny 22 desambra 1975, dia komandy faha-15 nisahana izany ny Kly Rabemonina Julien.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...