Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ireo “OMP” no ampanaovina ny asa

10/05/2013

Tsy asian’ny fitondrana tetezamita sira hatramin’izao ny mikasika ny fitokonan’ireo mpiraki-draharahan’ny Fitsarana manerana ny Nosy. Araka ny vaovao nambara nandritra ny fivoarian’ireo mpitokona tany Toamasina ny alarobia teo dia tsy mbola isan’ny tafiditra tao amin’ny laha-diniky ny filankevitry ny Governemanta tamin’ny talata teo ny mikasika izaany fitakian’ny mpiraki-draharaha izany, indrindra ny fanitsiana ny didim-panjakana manazava ny tambin-karaman’izy ireo. Etsy an-danin’izany fantatra ihany koa, raha ny any Toamasina ihany, fa ireo OMP (Officiers des ministers publics” no ampiasain’ny fampanohavana any an-toerana amin’ny toeran’ireo mpiraki-draharaha, mamita ireo atontan-taratasy miantona ao amin’izy ireo sy ireo atontan-taratasy avy any amin’ny “polices judiciaries”. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany dia mifandimby mankany Fenerivo atsinanana ireo ekipan’ny fampanovana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, mamita ireo antontan-taratasy mahakasika ny fandikan-dalana tsotra (Delits) miaraka amin’ireo lehiben’ny distrika. Tsy manana raha teo ny any Fenerivo atsinanana, noho izany dia afaka tsara ampiasana ny “OMP”, tahaka ny any Antanambao Manampontsy sy Marolambo izay lavitra ny fitsarana ao Vatomandry.

Marihina fa nivory teo anoloan’ny fitsarana, toerana fanaovan’izy ireo ny fitokonany, ireo mpiraki-draharahan’I Toamasina ny alarobia teo. Nandinika ny tohin’ny hetsika no votoatin’izany fivoriana izany. Nolazain’ny solon-tenan’izy ireo fa “tsy miankina aminay raha miantona avokoa ny raharaham-pitsarana rehetra, fa ny fanjakana mihintsy no manao be marenina sy manaotao foana amin’ny didim-panjakana noraisiny. Efa nandefitra izahay raha nomena 10% ny fangatahanay ny volana desambra lasa iny. Nefa nahoana indray aty aoriana no anaovana mody fanina sy fitahina”.
Manoloana ny fampiasana ny OMP dia nilaza izy ireo fa “tsy hampihemotra ny fitakiana ara-tsosialinay izao fanapahan-kevitra noraisin’ny fampanoavana izao, tsy manan-jo hanakana izany koa izahay tahaka ireo mpitsara tsy manan-jo hanakana anay amin’ny fitokonanay”.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...