Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hanao baolina ny mpanakanto

10/05/2013

Mikarakara hetsika lehibe ho enti-mankalaza ny fetin’ny reny ireo andriambavilanitra mpanakanto any Toamasina. Hihaona amin’ny ekipan’ny vehivavy mpanan-kanto ao Toamasina ireo vehivavy tompon’andraikitra sy vadina tompon’andraikitra ary vadin’ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana amin’io fotoana io.

“Efa ho iray volana izahay izao no nanoman-tena isaky atoandro eny amoron-dranomasina, miandry ireo vonona ny hihaona aminay fotsiny izahay izao, nefa tsy natao hifaninana kosa ilay hetsika fa hanehoanay vehivavy fa hainay ny miala voly sy mifaninana ao anatin’ny fifankatiavana sy fifanampiana”, hoy ireto vehivavy mpanan-kanto ireto, raha nanazava ny anton’ity hetsika ity.
“Efa mandeha avokoa ny fifampiantsoana sy ny fanomanana rehetra amin’izao fotoana izao, ka miandry ny fotoana hanaovana azy sisa izahay”, hoy hatrany izy ireo. Isany mpanohana ireto vehivavy mpanan-kanto ireto amin’izao hetsika hataony izao, I Mahavimbina Geralda vadin’ny lehiben’ny faritra atsinanana, sy ireo vehivavy parlemantera sy minisitra zanaky Toamasina ary ireo vehivavy tompon’andraikitra samy hafa ao Toamasina.
Marihina fa araka ny fanazavan’izy ireo dia ny fahitany ny tsara nataon’ireo vondrona mpanao horonan-tsary mihetsika nanomana ny lalao baolina kitra nihaonan’izy ireo sy ny mpanao politika ary ny fanjakana farany teo, no nanodika azy ireo nanomana ihany koa ity hetsika baolina kitra ho entina hankalazana ny fetin’ny reny ao Toamasina ity.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...