Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy atokisan’ny vahoaka intsony ?

14/05/2013

Mahazo vahana tanteraka ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Tsy mifidy ora sy fotoana intsony ireo jiolahy hanaovany ny asa ratsiny. Raha raisina ny tranga izay niseho tetsy Ambohipo ny faran’ny erinandro lasa teo izay niafàra tamin’ny nandorana velona mpamaky trano iray.

Naneho ny hatezerany mihitsy ny olona, hany ka tsy nanana fahefana intsony ireo mpitandro ny filaminana manoloana ny tranga fa dia nitazam-potsiny. Asa na noho ny tahotry ny mety ho fivadihan’ny raharaha, toy izay nitranga tany Mandritsara na tany Mananara avaratra, fa tsy sahy nanakana ireo mpitandro filaminana nanatrika teo. Araka ny lalàna velona dia tsy azon’ny olona atao ny mamono ireny olona lazaina hoe meloka ireny na dia efa tratra eo am-panatanterahana ny asany aza izy ireny. Ny manahirana dia ireo mpitandro ny filaminana izay nantsoina dia tsy nandray an-tanana ny raharaha fa toa nitazana lavitra araka ny tsilintsofina re. Tsy hita araka izany izay toerana tokony hametrahana azy ireny. Eo ihany koa ny tranga tany Ankirihiry, nasiana fanazavana manokana ny raharaha fitsaram-bahoaka niseho tany amin’ny kaomonina ambanivohitra Ankirihiry, distrika Mampikony tamin’ny 08 mai teo. Voalaza ary fa efa teo am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana telolahy ireo jiolahy mpamono olona miisa roa kanjo tonga tampoka ny fokonolona mahatratra 500 ka nalain’izy ireo ankeriny ary niharan’ny hatezeran’izy ireo ireto olon-dratsy ka maty. Olona iray no voalaza fa novon’izy ireo ary maro ny entana nangalarin’izy ireo. Mampanontany tena araka izany ny fahamaroan’ny mpitandro ny filaminana hoe hanao inona ary izy ireo ? Midika ihany koa anefa ity fitsaram-bahoaka izay mateti-pitranga ity tato ho ato fa tsy atokisan’ny fokonolona intsony ny mpitandro ny filaminana. Misy mantsy ireo jiolahy tratra am-bodiomby izay, kanefa dia votsotra afaka fotoana fohy. Tsy azo lavina koa anefa, ary efa hita porofo izany, fa maro amin’ireo mpitandro ny filaminana niray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...