Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitombo isa ny mpaka pasipaoro

14/05/2013

Tafakatra 1.313 ny isan’ny olona nangataka pasipaoro teny an’ivon’ny antokon-draharahan’ny polisy misahana ny sisin-tany sy ny fanaraha-mason’ny fifindra-monina tany Toamasina nandritra ny taona 2012.

Ny loharanom-baovao teny anivon’ity antokon-draharaha ity, mazava loatra no nahafantarana izany. Mbola avy amin’izay loharanom-baovao izay ihany koa no nafahana nahafantatra fa ny taona 2012 no nahitana fangatahana pasipaoro maro indrindra raha oharina tamin’ny taona hafa nisian’izao krizy izao. Nanodidina ny 1.000 izany ary tsy nihoatra ny 1.200 teo anelanelan’ny taona 2009 ka hatramin’ny 2011.
Vehivavy no maro tamin’ireo mpangataka pasipaoro ireo, raha ho an’i Toamasina ihany. Nahatratra 711 ny isan’ny vehivavy naka pasipaoro tamin’ny taona 2012 raha tsy nisy afa-tsy 602 ny lehilahy.

Milefa ny tanindrazana

Raha araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra tao amin’ity antokon-draharaha ity dia ny fitadiavana vady amin’ny tranokalam-pifandraisana manokana sy ny fahamaroan’ireo tolotr’asa any ivelany karakarain’ireo ivo-toarana mpandefa mpiasa any ivelanyno nahasarika ny an-kamaroany mitady vehivavy. Eo ihany koa anefa ny ny fahamaroan’ireo nanambady vazaha izay frantsay ny ankamaroany, tao anatin’izay efa-taona nisian’ny krizy izay.
Ny fitadiavana asa any ivelany sy ny asa an-tsambo kosa no nahaliana ny an-kamaroan’ireo lehilahy naka pasipaoro. Maro ihany koa anefa ireo hita taratra fa te-hilefa ny zava-misy eto Madagasikara ka te- hipetraka any ivelany. Mbola manampy an’ireo ihany koa ny mahita vady amin’ny alalan’ny tranokalam-pifandraisana. Tao antin’ny telo volana voalohany ny taona 2013 teo dia efa nahatratra 98 ireo nangataka hanaomboatra pasipaoro. Mbola ny vehivavy hatrany no maro an’isa satria natratra 66izy ireo, raha 32 monja ny lehilahy. Marihina fa malalaka ny fanamboarana ny pasipaoro ho an’ny olom-pirenena feno taona rehetra. Efa “biometrique” raha teo tahaka ny any amin’ny firenena ivelany ny pasipaoro Malagasy efa ho 05 taona izao isorohana ny hosoka.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...