Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Voaroiroy amina fizahan-tany mamoafady

16/05/2013

Eo am-pela-tanan’ny fitsarana amin’izao fotoana izao ny raharaha mampifanolana ny teratany frantsay iray any Toamasina sy tovovavy iray 19 any an-toerana ihany, ary zanaka Kolonely iray izay tompon’ny trano hofain’ity teratany vahiny ity. Araka ny taratasin’ady amin’ity raharaha ity dia tondroin’ity tovovavy ity no nanao firaisana mamoafady taminy ilay teratany frantsay. Tondroin’ity farany ho nangalatra ny volany mitentina 600 000 ariary kosa ilay zazavavy.

Ny zava-nitranga tao Analakininina hopitaly be ny herinandro lasa teo tamin’ity tovovavy Malagasy 19 taona ity izay niaraka tamin’ny namany vao 17 taona no tena niantombohan’ny raharaha. Araka ny loharanom-baovao dia nitady mpahandro ity tera-tany frantsay ity ka nahita ity tovovavy ity izay’ilay zanaka kolonely hanofany trano no nitondra azy. Taorian”ny asa fandrahoana dia raikitra ny revy teo amin’ity tovovavy 19 taona sy ilay zanaka kolonely ary ilay tera-tany frantsay. Nandritra izay dia tsy niditra fa nojanona teo antokontany ilay tovovavy tsy ampy taona. Nihitatra ny revy ary nivadika ho firaisana ara-nofo “mamoha fady”; izay nomarihan’ilay tovovavy fa nataon’izy ireo. Nolavin’ilay tera-tany frantsay avokoa anefa izany fanambarana izany . Nambarany kosa tetsy an-danin’izany fa very ny volany 600.000 ariary izay nambarany ihany fa ilay tovovavy no nangalatra azy. Ity farany kosa dia nilaza fa vidin’ny fiarahan’izy sy ilay tera-tany frantsay ilay izy.
Samy nanao ny fiarovan-tenany teo anivon’ny mpanao fanadiadiana na ilay tovovavy nambara fa nangala-bola na ilay frantsay voalaza fa nanao fizahan-tany mamohafady satria “visa touristique” no hahafahany mipetraka ao Toamasina, ary ilay zanaka kolonely voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’ilay tera-tany frantsay
“Tsy mahavelona any frantsa ny vola kely raisiko amin’ny alalan’ny ‘RMI’ omen’ny fanjakana frantsay ahy, izay no mahatonga ahy mipetraka eto Toamasina ka isaky ny lany ny fivahinianako 03 volana eto dia miverina any frantsa aho, ary mijanona any herinandro dia miiverina indray eto Madagasikara…”. Izay araka ny fanadiadiana natao no nambaran’ity tera-tany frantsay ity.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...