Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mangataka tolo-tànana ireo namany ao Toamasina

18/05/2013

Mangataka tolo-tànana sy fanampiana ary fiaraha-miasa amin’ireo izay te-hanampy sy tsara sitra-po ary ireo mahatsapa ny fahorian’ireo polisy ao Mananara avaratra, ny polisy naman’izy ireo ao Toamasina amin’ny alalan’ny tale iraisam-paritry ny filaminana anatiny ao Toamasina. Entina hanampiana ireo fianakaviana polisy ao Mananara avaratra izay may sy potika ary rava fananana noho ireo olana nitranga noho ny “fitandroana ny filaminam-bahoaka” tany an-toerana farany teo. Azo aterina ao amin’ny biraon’ny talen’ny filaminam-bahoaka Toamasina na amin’ny kaonty manokana ao amin’ny banky BOA ny fanampiana rehetra, izay foin’ny olona rehetra dia raisin’izy ireo avokoa.

Ankilan’izay, dia lasa tena tsy fanjakana baroa ny ao Mananara avaratra taorian’ny fanakatonana ny kaomisarian’ny polisy tany an-toerana noho ilay disadisa teo amin’ny polisy sy ny “fokonolona”; dia miasa irery ny borigadin’ny zandary izay efa lasa lasibatry ny andian-olona voabaikona mapanao politika koa ankehitriny. Taorian’ilay fitsaram-bahoaka nataon’ireo andian’olona ilay voaroiroy fa namono olona tao Mananara avaratra ny alakamisy, izay teo imason’ny zandary tany an-toerana izay tsy hararesy dohika ireto andian’olona izay efa saika raikitra sakoroka, dia namoaka ilay lehilahy voaroiroy nandalo fanadiadiana nitadiavana ny marina, ka teo no niavian’ilay von’olona. Omaly zoma araka ny angom-baovao avy any Mananara avaratra, dia mbola misy olona roa hafa nanaovan’ny zandary fanadiadiana mikasika ity raharaha von’olona ity hatrany, ka mbola tonga teo anoloan’ny borigadin’ny zandary ihany ireto andian’olona “voabaikona mpanao politika” ireto saika mbola hanao ny fitsaram-bahoaka hatrany. Nandray fepetra noho ny zava-nisy anefa ireto zandary, ka raikitra indray ny sakoroka sy ny disadisa. Omaly hariva dia nangataka ny fanalana ireo zandary any an-toerana sy mitaky koa “fitsaram-bahoaka” ho azy ireo ireto andian’olona. Tantara mbola hitohy…

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...