Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hitory ny Praiminisitra

24/05/2013

Tsy nionona tamin’ny tsy nazoany ny ministera nokasainy halaina ny alarobia teo ny antoko Monima tarihan’ny filohany Monja Rindefo Zafitsimivalo. Arakan y fampahafantarana nataon’ity farany, omaly, dia hiroso amin’ny fametrahana fitoriana ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta izy ireo. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny antoko Monima, sady kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia sady fanitsakitsahana ny tondrozotra izay lalana fototra amin’izao tetezamita izao no fanamparam-pahefana ny fihetsika nasehon’ny Praiminisitra tamin’ny nanatanterahany ny fanambarana izay tsy mankato ny fanomezana ny antoko Monima ny ministera anjarany. Nomarihan’i Monja Roindefo fa efa herintaona izao no nitaky ny hanoloana ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny minisitry ny Angovo izay tsy mpikambana intsony ao amin’ny antoko Monima izy ireo. Tsy nisy tohiny hatrany anefa izany fitakiana nataon’izy ireo izany.

Vaky ny ady
Tsara ny mampatsiahy fa efa nilaza ny hamatreka fitoriana ny antoko Monima noho ny fihetsika nataony tamin’ny fikasana haka ny ministeran’ny Angovo tamin’ny Alarobia lasa teo ihany koa ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Nambaran’ity farany tamin’ny alalan’ny fanambarana ôfisialy izay nataony tamin’io fotoana io fa voararan’ny làlana manan-kery ny fakana ministera. Vaky tanteraka, arak’izany, ny ady eo amin’ny Praiminisitra teo aloha sy ny Praiminisitra am-perinasa amin’izao fotoana izao.
Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa tsy voalohany tao anatin’izao fitondrana mitsangana taorian’ny fametrahana ny Tondrozotra izao no nisy fangatahana fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Araka ny iarahan’ny rehetra mahalala dia ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Jean Omer Beriziky mihintsy no nisantatra izany tsy fankatoavan’ny antoko na vondrona nanolotra azy tao amin’izany governemanta izany. Satria na dia ny Profesora Zafy Albert izay nanolotra azy dia efa nilaza mazava fa tsy manohana azy amin’io toerana io. Torak’izany ihany koa ny minisitra Tabera Andriamanatsoa izay avy amin’ny ankolafy Zafy Albert kanefa tsy nankatoavin’ity farany. Nitaky ny fanesorana ny solon-tenany iray tao amin’ny governemanta ihany koa ny ankolafy Ravalomanana izay tsy nankato intsony ny minisitra Tsiranana Ruffine. Tamin’ireo tranga rehetra ireo anefa dia samy tsy nahitam-bokany avokoa.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...