Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Natsangana ho Ankolafy faha dimy

27/05/2013

Hetsika vonjeo ny firenenao na HVF dia natsangana ho ankolafy fahadimy ary manana dina telo mamehy izany. Ny fametrahana rafitra maty paika ho fitarihana sy fitondrana fiaraha-monina anjakan’ny soatoavina sy ny fihavanana, laharam-pahamehana ny firosoana amin’ny fanomanana ny fifidianana madio sy mangarahara izay handraisan’ny Malagasy rehetra anjara ny mason-tsivana ho amin’ny lafiny ara-pahendrena sy fitiavan-tanindrazana ny hahavo ara-tsaina sy fifehezana ny kolontsaina sy ny teny malagasy ,

ny fahasahiana mandray andraikitra ary farany ny fandrafetana ny masontsivana amin’ireo voalaza ireo », mamehy ny ankolafy Vonjeo Ny firenenao izay notarihin ‘i Profesiora Solonjatovo Rakotonirina mpitarika ny atrik’asa izay notontosaina tetsy amin’ny Hotely Panorama ny Asabotsy lasa teo.
Very ny Malagasy
Manakatoka ny fifidianana ho filoham-pirenena ny vahoaka Malagasy ny faha 24 jiolahy 2013. Very tanetraka ny fitokisana ary nosoloina ahiahy. Tsy fahandriam-pahalemana, tahotra izay miha mahazo toerana . Arak’ izany dia tapaka ny hevitra fa hanangana ankolafy fahadimy ny avy ao amin’ny HVF mba ho fanovana sy fanarenana eto Madagasikara. « Manolona ireo olana izay tsy maintsy ho sedraina sy ny fanamby tsy maintsy hefaina, dia mila manarina isika vahoaka ary ilaina ny fiaraha-mientana mba hiverenana amin’ny hasina maha olona », hoy hatrany ny filoha. Fantatra fa miaina ao anaty fahantrana tanteraka ny maro an’isa amin’ny Malagasy, satria efa manodidina ny 90% ny taham-pahantrana lalina misy eto Madagasikara. « Fantatra ihany koa fa ny tsy fisian’ny rafitra maty paika hitantanana ny firenena , no anton’izao krizy miverimberina izao. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny mpitondra hendry sy tia tanindrazana, mpitondra matahotra an’Andriamanitra izay tena afaka hiarao ny fiandrianam-pirenena marina no fototr’izao fitotonganana izao », hoy hatrany Rakotonirina.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...