Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy hiandry ny famatsiam-bola avy any ivelany

28/05/2013

Tsy hiandry famatsiam-bola avy any ivelany ny KMF-CNOE na Komity Manara-maso ny Fifidianana. ”Ny mpikambana no handray an-tànana amin’izay fahafahany ary misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana maro izay mandray andraikitra amin’ny fifidianana toy ny EISA ohatra”, hoy Voahangy Raveloson, mpandrindra nasionaly ny KMF-CNOE. Roa volana sisa dia higadona ny fifidianana. Mila hapetraka amin’ny toerany avokoa ny zavatra rehetra ilaina mahakasika izany, toy ny lisitry ny mpifidy, ny karapanondrom-pirenena ho an’ireo izay hifidy. Vola no ilaina amin’izany rehetra izany fa indrindra ny vato tokana izay mampametra-panontaniana ny maro ny fanontana sy ny fampiasana azy mandrak’ankehitriny.

“Voafetra ny fitaovana, ny fotoana sy ny toerana hiasan’ny KMF-CNOE noho izy tsy manana vola enti-miasa ary tsy hiandry ny avy any ivelany ihany koa anefa”, hoy ny valiteny hentitry ny mpandrindra nasionaly.
An’ny CENIT ny teny farany
“Ny tapaky ny volana aprily teo no nalefa ny antotan-taratasy mahakasika ny fifidianana ary efa nahazo valiny tamin’ny alalan’ny [SMS] izahay avy ato amin’ny KMF-CNOE. Ny zoma lasa teo kosa no nametrahana ny taratasy mahakasika ny fitaizana ny vahoaka malagasy amin’ny fifidianana, iandrasana ny valiny avy amin’ny CENIT”, manazava Voahangy Raveloson. ”Ny tsara ho fantary ny maro dia mbola tsy nisy fampihofanana any amin’ny faritra hafa avy amin’ny CENIT, mahakasika ny vato tokana fa mbola modely ihany. Nijanona teto an-drenivohitra ihany koa izany. Ny lisitry ny fifidianana ihany koa no efa vita hatreto, ny lanjan’ny fandatsaham-bato, ny fanentanana ny olona mba ho tompon’andraikitra amin’izay hataony, izany hoe ny fahafantaran’ny mpifidy ny zony sy ny antony hisafidianany ilay kandida no himasoanay ”, hoy hatrany ny mpandrindra nasionaly. Tsy ho vitan’ny vondrona na tompon’andraikitra iray na vitsy anefa ny fanentanana amin’ny fifidianana fa entanina avokoa ireo rehetra manana andraikitra amin’izany ohatra ny kandida, ny biraom-pokotany, ary koa ny mpanao gazety.

Tinah
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...